bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 7
Amos 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 8 →
1
Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, namorona andiam-balala Izy rehefa nanomboka nitsimoka iny ny kolokolon’ahitra, kolokolon’izay nojinjaina ho an’ny mpanjaka.
2
Nony laniny avokoa ny zavamaniry amin’ny tany dia hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mamelà heloka! Hataon’i Jakoba ahoana no fahajoro? Kely ange izy e!
3
Nanenenan’NY TOMPO izany. Tsy hisy izany, hoy NY TOMPO.
4
Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, NY TOMPO Andriamanitra niantso fitsarana amin’ny afo ka nandevona ny lalina lehibe ary nandany ny zaralova izany.
5
Dia hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mitsahara re! Hataon’i Jakoba ahoana no fahajoro? Kely ange izy e!
6
Nanenenan’NY TOMPO izany. Tsy hisy koa izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
7
Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ny manda, sady nisy fandrefesana marindrano teny an-tanany.
8
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy aho: Fandrefesana marindrano. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy fandrefesana marindrano eo amin’ny Israely oloko Aho fa tsy handefitra aminy intsony.
9
Ho foana ireo toerana fanaovana sorona an’Isaka, ho rava ireo fitoerana masin’ny Israely ary hitsangana Aho ka hamely ny taranak’i Jeroboama amin’ny sabatra.
10
Dia nandefa iraka tany amin’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely i Amazia, mpisorona tao Betela, hilaza hoe: Manao tetika fikomiana aminao eo anivon’ny taranak’Israely i Amosa, ary tsy zakan’ny tany ny teniny rehetra.
11
Satria hoy i Amosa: Ho fatin-tsabatra i Jeroboama ary hobaboana hiala amin’ny taniny tokoa ny Israely.
12
Ary hoy i Amazia tamin’i Amosa: Ry mpahita! Andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda ianao; any ianao no hihinan-kanina ary any ianao no haminany.
13
Aza maminany eto Betela intsony fa fitoerana masin’ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
14
Dia namaly an’i Amazia i Amosa hoe: Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; mpiandry ondry sy mpikarakara aviavy aho.
15
Nefa nalain’NY TOMPO tany am-piandrasana ondry aho ka nitenenany hoe: Mandehana ka maminania amin’ny Israely oloko.
16
Koa henoy ankehitriny ny tenin’NY TOMPO: Ianao no milaza hoe: Aza maminany hamelezana ny Israely ary aza miteny mamely ny taranak’Isaka!
17
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao, ho lavon-tsabatra ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hozaraina amin’ny kofehy fandrefesana ny taninao; ho faty any amin’ny tany maloto ny tenanao ary hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa ny Israely.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9