bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 9
Amos 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
1
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy: Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana, torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra! Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra ka tsy hisy afa-mandositra sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
2
Na dia mibosesika ho any amin’ny fitoeran’ny maty aza izy dia any no hanalan’ny tanako azy; ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy dia avy any no hampidinako azy.
3
Na dia miery any an-tampon’i Karmela aza izy dia any no hitadiavako sy hanalako azy; ary na dia miafina any ambanin’ny ranomasina aza izy mba tsy ho hitan’ny masoko dia any no hibaikoako ny menarana hanaikitra azy.
4
Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony aza izy dia any no hibaikoako ny sabatra hamono azy; ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga loza fa tsy soa aminy.
5
Ary NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mikasika ny tany dia miempo izy; misaona ny mponina rehetra ao aminy; misondrotra tahaka an’i Neily avokoa ireny rehetra ireny ary mihena toy ny Neilin’i Ejipta indray izy;
6
Manangana ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ny tany; miantso ny rano ao amin’ny ranomasina Izy ka mandraraka azy amin’ny tany: NY TOMPO no anarany.
7
Moa tsy tahaka ny taranaky ny Kosita va ianareo Amiko ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO. Tsy nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta va ny Israely, ary avy tany Kaftora ny Filistina, ary avy tany Kira ny Arameana?
8
Indro, ny mason’NY TOMPO Andriamanitra no manandrina ity fanjakana feno ota ity ka hofongorako tsy ho eo ambonin’ny tany izy; kanefa tsy dia hofongorako tanteraka ny taranak’i Jakoba, hoy NY TOMPO.
9
Fa Indro, Izaho no mandidy, koa hosivaniko amin’ny firenena rehetra ny taranak’Israely, tahaka ny fanasivana vary amin’ny sivana; kanefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin’ny tany na dia iray akory aza.
10
Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ny oloko, dia ireo izay milaza hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
11
Amin’izany andro izany dia hatsangako indray ny trano bongon’i Davida izay efa nianjera, hotampenako ny banga eo aminy; hatsangako indray izay rava aminy ka haoriko ho tahaka ny taloha indray izy
12
mba handovany izay sisa amin’i Edoma sy amin’ny firenena rehetra hantsoina amin’ny anarako, hoy NY TOMPO izay manatanteraka izany.
13
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja ary ny mpanosihosy voaloboka dia hahatratra ny mpamafy; ny tendrombohitra dia hamoaka ranom-boaloboka ary ny havoana rehetra hiempo.
14
Dia hamerina ny Israely oloko indray Aho; dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; hamboatra saham-boankazo koa izy ka hihinana ny vokatra avy aminy.
15
Eny, hamboleko ao amin’ny taniny izy ka tsy hongotana intsony amin’ny taniny izay nomeko azy, hoy NY TOMPO Andriamanitrao.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9