bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 6
Amos 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 7 →
1
Lozan’ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ny firenena malaza indrindra, sady hatonin’ny taranak’Israely!
2
Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere, mandrosoa ho any Hamata lehibe avy eo; dia midìna ho any Gatan’ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va ianareo? Lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?
3
Ianareo dia mihevitra ny andro fahoriana ho mbola lavitra, nefa mampanakaiky ny fanjakan’ny fampahoriana.
4
Mandrimandry eo amin’ny farafara ivoara sy mitsilailay eo amin’ny fandrianany izy ireo ary homana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ondry sy ny zanak’omby avy ao am-pahitra.
5
Mihirahira foana manaraka ny feon-dokanga izy ireo ary mamorona zavamaneno toy ny nataon’i Davida.
6
Misotro divay amin’ny kapoaka tsara tarehy izy ireo sady mihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy mba onena ny faharavan’i Josefa!
7
Koa amin’izao dia ho voalohany amin’izay hobaboina ireo ary hitsahatra ny koranan’izay mitsilailay foana.
8
NY TOMPO Andriamanitra dia nianiana tamin’ny tenany; hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Fahavetavetana eo anatrehako ny fireharehan’i Jakoba ary halako ny lapany; koa hatolotro ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny.
9
Ary raha folo lahy no sisa ao amin’ny trano iray dia samy ho faty izy ireo.
10
Ary ny havan’ireo maty izay mibata ny faty handoro azy ka mitondra ny taolana hiala tao an-trano dia hiteny amin’izay ao an-trano hoe: Mbola misy olona ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliany hoe: Mangìna re! Tsy tokony hotononina ny anaran’NY TOMPO!
11
Fa indro, NY TOMPO mandidy handravana ny trano lehibe ka hotresatresahina ny trano madinika.
12
Mihazakazaka eny amin’ny vatolampy va ny soavaly, misy olona mampihosy omby va eny no efa navadikareo ho poizina ny rariny ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
13
Ianareo izay mifaly ny amin’i Lo-Dabara ka miteny hoe: Moa tsy ny herinay va no nahazoanay an’i Karnaima?
14
Indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamata izy ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tany ngazana.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9