bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 8
Amos 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 9 →
1
Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
2
Hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tonga amin’ny Israely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho.
3
Ho tonga fitarainana ny hira ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho be ny faty ka eny rehetra eny no hanipazana azy. Mangìna re!
4
Mihainoa izao, ianareo izay miandry izay hitelemana ny mahantra sy ta hanafongana ireo tsy manam-piaro eto amin’ny tany!
5
Hoy ianareo: Rahoviana no ho tapitra ny maizim-pito mba hivarotantsika vary, ary ny Sabata mba hanokafantsika ny fitoeram-bary ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekela ary hanaovana mizana mandainga,
6
ka hividianantsika ny mahantra amin’ny volafotsy, sy ny sahirana amin’ny kapan’olona iray ary hivarotantsika ny akofam-bary?
7
NY TOMPO nianiana tamin’ny reharehan’i Jakoba hoe: Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
8
Tsy hihorohoro noho izany va ny tany? Tsy hitomany va ny mponina rehetra ao aminy? Eny, hisondrotra tahaka an’i Neily ny tany rehetra ary hihena indray toy ny Neilin’i Ejipta.
9
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany.
10
Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra; hosikinako lamba fisaonana ny olona rehetra sady hokakasako ny loha rehetra; hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany ka ny fiafarany dia ho tahaka ny andro mangidy.
11
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO Andriamanitra, izay handefasako mosary amin’ny tany; tsy mosarin-tsakafo anefa, na hetahetan-drano, fa hetaheta handre ny tenin’NY TOMPO.
12
Hivembena hatrany amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray ny olona, hatrany avaratra ka hatrany atsinanana. Eny, hivezivezy hitady ny tenin’NY TOMPO izy nefa tsy hahita.
13
Amin’izany andro izany dia ho malemy noho ny hetaheta ny tovovavy tsara tarehy sy ny tovolahy,
14
dia ireo izay mianiana amin’ny helok’i Samaria ka miteny hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana! Raha velona koa ny fanaon’i Bery-Sheba! Ho lavo anefa izy ireo ka tsy hiarina intsony.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9