bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 5
Amos 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 6 →
1
Henoinareo izao teny izao, dia hira fisaonana izay entiko milaza anareo, ry taranak’Israely!
2
Lavo tsy hitsangana intsony Israely virijiny; nazera tamin’ny taniny izy ka tsy misy manangana azy.
3
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay tanàna nandefa arivo lahy dia indreo, zato monja no sisa; ary izay namoaka zato lahy dia indreo, folo monja no sisa ho an’ny taranak’Israely.
4
Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny taranak’Israely: Tadiavo Aho dia ho velona ianareo!
5
Aza mitady any Betela na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Bery-Sheba. Fa ho babo tokoa i Gilgala ary i Betela dia ho foana tanteraka.
6
Tadiavo NY TOMPO dia ho velona ianareo! Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ny taranak’i Josefa Izy ary tsy hisy izay hahafaty ny afo ao Betela;
7
dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampirefarefa ny fahamarinana amin’ny tany!
8
Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano any an-dranomasina ka mandraraka azy amin’ny tany, NY TOMPO no anarany,
9
dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery ka mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.
10
Halan’izy ireo izay mananatra eo am-bavahady ary ataony ho zava-maharikoriko izay miteny ny marina.
11
Koa satria nanitsakitsaka ny mahantra ianareo ary nampandoa vary azy, dia nanangana trano vato voapaika ihany koa ianareo nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ianareo nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
12
Fa fantatro fa be ny helokareo ary miavosa ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary manilika ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana.
13
Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’izao andro izao, fa andro fahoriana izao.
14
Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo; dia homba anareo NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, araka izay lazainareo.
15
Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny; angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa.
16
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Eny an-kianja rehetra eny dia hisy fisaonana; ary eny an-dalambe rehetra eny dia hisy hilaza hoe: Indrisy! Indrisy! Hiantso ny mpamboly hitomany izy ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao izany.
17
Any amin’ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana fa handeha hamakivaky eo afovoanareo Aho, hoy NY TOMPO.
18
Lozan’izay maniry ny Andron’NY TOMPO! Hataonareo inona moa ny Andron’NY TOMPO? Ho haizina izany fa tsy ho fahazavana.
19
Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera; rehefa tafiditra ao an-trano izy ka mitehin-tanana amin’ny rindrina dia kaikerin’ny menarana.
20
Moa tsy haizina va ny Andron’NY TOMPO fa tsy fahazavana? Moa tsy haizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
21
Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo ary tsy tiako ho re intsony ny fofon’ny fivoriana masina ataonareo.
22
Na dia anoloranareo fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza Aho dia tsy sitrako izany; ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
23
Halaviro Amiko ny finaonaonan’ny hiranareo! Tsy hihaino ny fanenon’ny lokanganareo Aho,
24
fa aoka kosa ny fitsarana hikoriana toy ny rano ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
25
Moa efa nanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra alatsa-dra ho Ahy va ianareo fony tany an-tany efitra efapolo taona, ry taranak’Israely?
26
Ento any i Sikota mpanjakanareo sy i Kiona sampinareo dia ny kintan’ny andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo!
27
Hoentiko ho babo any ankoatra an’i Damaskosy ianareo, hoy NY TOMPO. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9