bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 15
Deuteronomy 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 16 →
1
Isaky ny fito taona dia manaova fanafahan-trosa ianao.
2
Toy izao no fomban’ny fanafahan-trosa: Hamoy ny trosany rehetra ny tompon-trosa rehetra izay nampindram-bola tamin’ny namany; tsy hanery ny namany, izay rahalahiny handoa azy, satria antsoina hoe Fanafahan’NY TOMPO izany.
3
Ny olona hafa firenena ihany no azonao enjehina; fa izay anao any amin’ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
4
kanefa tsy dia hisy mahantra eo aminao, fa hitahy anao tokoa NY TOMPO eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao,
5
raha mihaino tsara ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ireo lalàna rehetra ireo, izay andidiako anao anio.
6
Fa hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy taminao; hampisambotra vola ny firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra; ary hifehy firenena maro ianao fa ireny kosa dia tsy mba hifehy anao.
7
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao an-tanànanao iray, amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra;
8
fa sokafy tsara aminy ny tananao ka ampisambory izay ilainy izy, araka izay mahory azy.
9
Mitandrema anefa, fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao milaza hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao mahantra ianao ka tsy hanome azy akory; dia hitaraina amin’NY TOMPO hiampanga anao izy ka ho fahotanao izany.
10
Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao.
11
Fa ny tany dia tsy ilaozan’izay olo-mahantra, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao.
12
Raha namidy taminao ny namanao, na lehilahy, na vehivavy hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ny taona fahafito.
13
Ary rehefa votsoranao ho afaka izy dia tsy havelanao handeha tanam-polo;
14
fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ny ondry aman’osinao sy avy amin’ny famoloananao ary avy amin’ny famiazanao; araka izay efa nitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
15
Tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao nefa nanavotra anao NY TOMPO Andriamanitrao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
16
Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao fa finaritra aminao izy,
17
dia halainao ny fanjaibe ka hotevehinao amin’ny varavarana ny sofiny dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ny mpanompovavinao.
18
Aza ataonao ho sarotra aminao ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ny mpikarama no azonao tamin’ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra ataonao.
19
Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao dia hohamasininao ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinao.
20
Eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ny fitoerana izay hofidin’NY TOMPO.
21
Fa raha manan-kilema izy, na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa, dia aza vonoinao ho fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ireny,
22
fa ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona tsy madio na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
23
Kanefa ny rany no aza hanina, fa aidino amin’ny tany toy ny rano.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34