bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 16
Deuteronomy 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 17 →
1
Tandremo ny volana Abiba ka ataovy ny Paska an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tamin’ny volana Abiba no nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny alina.
2
Vonoy ny Paska an’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ondry aman’osy sy omby, eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO hampitoerany ny anarany.
3
Aza mihinana ny misy masirasira miaraka aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta ka hotsarovanao amin’ny andro rehetra hiainanao io andro izay nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta io.
4
Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao sy ao amin’ny faritaninao mandritra ny hafitoana; aoka koa tsy hisy ho tavela miloaka alina ny henan’ny fanatitra izay novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany.
5
Tsy hisy azonao amonoana ny Paska anefa ny tanànanao rehetra izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao;
6
fa eo amin’ny fitoerana izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka ilay nivoahanao avy tany Ejipta.
7
Hahandroinareo izy, dia hano eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao; ary amin’ny maraina dia modia any amin’ny tranolainao.
8
Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara fivoriana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy hanaovana raharaha amin’io.
9
Manisà herinandro fito; manomboka amin’ny andro iandohan’ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
10
Dia ankalazao ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro manaraka ireo Herinandro ireo ka manolora fanatitra an-tsitrapo, izay homenao araka izay itahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao;
11
ary mifalia eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao miaraka amin’ny ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao ary ny levita izay ao an-tanànanao mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
12
Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
13
Tandremo mandritra ny hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ny famoloananao sy ny famiazanao.
14
Ary mifalia ianao miaraka amin’ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao ary ny levita mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao amin’ny andro firavoravoanao.
15
Hafitoana no hitandremanao andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, satria hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan’ny tananao rehetra ka hifaly tokoa ianao.
16
Intelo isan-kerintaona no hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny lehilahy rehetra ao aminao, eo amin’ny tany izay hofidiny, dia amin’ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’NY TOMPO;
17
fa samy hanolotra izay zakany avy, araka ny fitahiana izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
18
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, araka ny fokonao; dia hitsara ny olona amin’ny fitsarana marina ireo.
19
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly; fa mahajamba ny mason’ny hendry ny kolikoly ary mamadika ny tenin’ny marina.
20
Ny tena marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
21
Aza manangana hazo ho tsangankazon-tsampy eo anilan’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
22
Ary aza manao tsangambaton-tsampy ho anao; fa halan’NY TOMPO Andriamanitrao izany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34