bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 24
Deuteronomy 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 25 →
1
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony Ravehivavy noho ny nahitany fahalotoana teo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dRavehivavy izy ka hanolotra izany eo an-tanany ary hampiala azy ao an-tranony.
2
Ary rehefa miala ao an-tranony Ravehivavy dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
3
Ary raha tsy tia an-dRavehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tanany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana,
4
dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay nanambady azy taloha izay nisaraka taminy, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izany; aza mampiditra heloka amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao.
5
Raha misy lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
6
Aoka tsy hisy olona haka fikosoham-bary ho antoka, na ny vatony ambony ihany aza; fa maka ny aina ho antoka izany.
7
Raha misy olona tratra mangalatra ny iray amin’ny Zanak’Israely rahalahiny ka manandevo azy na mivarotra azy dia hovonoina izany mpangalatra izany. Hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8
Mitandrema ny amin’ny habokana ka araho tsara izay rehetra hatoron’ny levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
9
Tsarovy izay nataon’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’i Miriama teny an-dalana tamin’ny nivoahanareo avy tany Ejipta.
10
Raha mampisambotra zavatra ny namanao ianao dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka avy aminy.
11
Mijanòna eo alatrano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo alatrano.
12
Ary raha mahantra Ralehilahy dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
13
fa tsy maintsy haverinao aminy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao izany.
14
Aza manao fitondrana hafahafa amin’ny mpikarama mahantra sy sahirana, na rahalahinao na vahiny ao amin’ny taninao sy ao an-tanànanao.
15
Fa amin’ny andro iasany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa mahantra izy ka izany no irin’ny fony; fandrao hitaraina amin’NY TOMPO noho ny nataonao izy, dia ho fahotana ho anao izany.
16
Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina amin’ny fahotany avy ihany ny olona.
17
Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.
18
Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao, ary NY TOMPO Andriamanitrao no nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanatanteraka ireo zavatra ireo.
19
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara hadinonao any dia aza miverina haka azy fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
20
Raha manintsana ny hazo olivanao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
21
Raha mioty ny voalobokao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
22
Tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao; koa izany no andidiako anao ireo zavatra ireo.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34