bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 27
Deuteronomy 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 28 →
1
Nandidy ny vahoaka i Mosesy sy ny loholon’ny Israely hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay omeko anao anio.
2
Amin’ny andro izay hitànareo an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ho anao ka lalory sokay;
3
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianao ka hiditra ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, taminao.
4
Rehefa tafita an’i Jordana ianareo dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato izay nandidiako anareo androany ireo ka lalory sokay.
5
Ary manorena alitara ao ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehina amin’ny vy izany.
6
Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao ka manolora fanatitra dorana manontolo eo amboniny ho an’NY TOMPO Andriamanitrao
7
ary manolora koa fanati-pihavanana ka mihinàna sy mifalia eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao.
8
Ary soraty amin’ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra.
9
Dia niteny tamin’ny Israely rehetra i Mosesy sy ireo levita mpisorona hoe: Mangìna ka mihainoa, ry Israely ô. Androany no efa tonga firenen’NY TOMPO Andriamanitrao ianao.
10
Koa henoy ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalànany, izay omeko anao anio.
11
Dia nandidy ny vahoaka tamin’izany andro izany i Mosesy hoe:
12
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitsodrano ny vahoaka, rehefa tafita an’i Jordana ianareo: Ny Simeona, ny Levy, ny Joda, ny Isakara, ny Josefa ary ny Benjamina.
13
Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: Ny Robena, ny Gada, ny Asera, ny Zebolona, ny Dana ary ny Naftaly.
14
Dia hiteny amin’ny Israely amin’ny feo mahery ireo levita hoe:
15
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.
16
Ho voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
17
Ho voaozona izay manakisaka ny faritry ny tanin’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
18
Ho voaozona izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
19
Ho voaozona izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
20
Ho voaozona izay mandry amin’ny vadin’ny rainy satria mandry amin’izay nandrian’ny rainy izy. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
21
Ho voaozona izay mandry amin’ny biby. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
22
Ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, dia ny zanakavavin’ny rainy, na ny zanakavavin’ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
23
Ho voaozona izay mandry amin’ny rafozambaviny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
24
Ho voaozona izay mamely ny namany any amin’ny takona. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
25
Ho voaozona izay mandray kolikoly hahafaty olona tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
26
Ho voaozona izay tsy mankatò ny tenin’ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34