bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 18
Deuteronomy 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 19 →
1
Tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ny Israely ny levita mpisorona, dia ny fokon’i Levy rehetra; fa ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny anjaran’NY TOMPO no ho fihinany.
2
Tsy hanan-dova eo amin’ny rahalahiny izy; NY TOMPO no lovany, araka izay nolazainy taminy.
3
Ary izao no ho anjaran’ny mpisorona avy amin’ny olona, dia avy amin’izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: Homena ho an’ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony roa ary ny vavoniny.
4
Homenareo azy koa ny voaloham-bokatry ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan’ny volon’ondrinao.
5
Fa izy sy ny taranany no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny fokonao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana amin’ny andro rehetra amin’ny anaran’NY TOMPO.
6
Raha misy levita miala amin’ny tanànanao iray, izay nivahiniany, tany amin’ny Israely rehetra ka mandeha araka ny fanirian’ny fony ho any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO,
7
ary manao fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny, tahaka ny levita rahalahiny rehetra izay mitsangana eo anatrehan’NY TOMPO,
8
dia anjara mitovy amin’ny anjaran’ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay azony tamin’ny nivarotany izay fananana avy tamin’ny rainy.
9
Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao dia aza mianatra manao araka ny fahavetavetana ataon’ireo firenena ireo.
10
Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamakivaky afo, na mpisikidy, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpitahiry ody,
11
na manao azy ho masim-bava, na mpanadina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty, na mpisikidy, na mpila hevitra amin’ny maty.
12
Fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra manao ireo zavatra ireo, ary izany fahavetavetana izany no androahan’NY TOMPO Andriamanitrao azy eo anoloanao.
13
Aoka ianao ho tanteraka eo amin’NY TOMPO Andriamanitrao.
14
Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy; fa ianao kosa dia tsy navelan’NY TOMPO Andriamanitrao hanao izany.
15
Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao: Izy no hohenoinareo.
16
Araka izay rehetra nangatahinao tamin’NY TOMPO Andriamanitrao tao Horeba tamin’ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
17
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
18
Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny tahaka anao ka hataoko eo am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
19
Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazain’io mpaminany io amin’ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
20
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ny anarako, nefa tsy araka izay nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ny anaran’ny andriamanitra hafa, dia hovonoina.
21
Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’NY TOMPO?
22
Raha miteny amin’ny anaran’NY TOMPO ny mpaminany ka tsy mitranga na tsy tanteraka ilay zavatra nolazainy dia teny izay tsy nolazain’NY TOMPO izany, fa tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34