bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 17
Deuteronomy 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 18 →
1
Aza vonoina hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrao, na omby na ondry na osy, izay ratsy na misy kilema, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny manao izany.
2
Raha misy hita manao izay ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy ka mivadika ny fanekeny
3
ary lasa mandeha manompo andriamanitra hafa sy mivavaka aminy, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, na amin’ny kintana eny amin’ny lanitra, araka izay zavatra efa nandrarako azy
4
ka voalaza aminao sy renao izany, dia diniho tsara; koa raha nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo amin’ny Israely io fahavetavetana io
5
dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ary torahy vato ho faty.
6
Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafatesana azy.
7
Ny tanan’ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra; hofongoranao tsy ho eo aminao tokoa ny fanao ratsy.
8
Raha misy raharaha sarotra tsaraina loatra ka tsy efanao, na mikasika ny ra latsaka, na ny ady, na ny vonoan’olona, izay mety hiadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao ka miakara any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao,
9
ary mankanesa any amin’ireo levita mpisorona sy any amin’ny iray izay mpitsara amin’izany andro izany ka manontania, dia hambarany aminao ny didim-pitsarana.
10
Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, dia mitandrema ka ataovy araka izay rehetra hatorony anao.
11
Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.
12
Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty; hofongoranao tsy ho eo amin’ny Israely ny fanao ratsy.
13
Ary ny vahoaka rehetra dia handre ka hatahotra ary tsy hiavonavona intsony.
14
Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary milaza hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
15
dia izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: Iray amin’ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ny rahalahinao ianao.
16
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy NY TOMPO taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony.
17
Ary aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena betsaka ho azy izy.
18
Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy dia aoka hanaovany dika mitovy amin’izay any amin’ny levita mpisorona izao lalàna izao.
19
Ary ho eo akaikiny izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra NY TOMPO Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
20
mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba ho maro andro amin’ny fanjakany eo amin’ny Israely izy sy ny taranany.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34