bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 20
Deuteronomy 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 21 →
1
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao.
2
Rehefa hanafika ianareo dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ny olona hoe:
3
Mihainoa, ry Israely ô, fa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro eo anoloany;
4
fa NY TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
5
Dia hiteny amin’ny olona ireo mpifehy azy hoe: Iza no olona izay nanorina trano vaovao nefa tsy mbola notokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
6
Iza no olona izay nanamboatra tanim-boaloboka nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
7
Ary iza no olona izay nifofo vady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
8
Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy hoe: Iza no olona izay matahotra sy osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ny rahalahiny.
9
Rehefa vitan’ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin’ny olona dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
10
Rehefa manakaiky ny tanàna hiadiana ianao dia milazà fihavanana aminy.
11
Raha fihavanana no avaliny anao ka mampandroso anao izy dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao ka hanompo anao.
12
Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te hiady aminao, dia ataovy fahirano.
13
Ary rehefa atolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo an-tananao izy dia hovonoinao amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
14
Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy mbamin’izay rehetra ao an-tanàna kosa, dia hoentinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ny fahavalonao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
15
Toy izany no hataonao amin’ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan’ireto firenena ireto.
16
Fa ny tanànan’ireto firenena ireto kosa, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
17
Ataovy ho zavatra voaozona avokoa ireo, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao,
18
izany dia mba tsy hampianarany anareo ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ireo andriamaniny ka tsy hanotanareo amin’NY TOMPO Andriamanitrareo.
19
Raha maharitra ela ny fanaovanao fahirano ny tanàna izay tafihinao mba halaina dia aza kapaina ho simban’ny famaky ny hazo maniry eo aminy; fa hisy hohaninao amin’ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha no hataonao fahirano?
20
Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34