bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Deuteronomy 21
Deuteronomy 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 22 →
1
Raha toa ka misy maty novonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
2
dia handeha ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin’ny faty ka hatramin’izay tanàna manodidina azy.
3
Ary ny loholona amin’ny tanàna izay akaikin’ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nitondra zioga.
4
Ary ilay ombivavy kely dia hoentin’ny loholona amin’io tanàna io midina any amin’izay lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
5
Ary hanatona ireo mpisorona, taranak’i Levy, fa izy no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anaran’NY TOMPO; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny fifamonoana rehetra.
6
Ary ny loholona rehetra amin’izany tanàna akaikin’ny faty izany dia hanasa ny tanany eo ambonin’ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony,
7
no sady hiloa-bava hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity ra ity sady tsy nahita izany ny masonay.
8
TOMPO ô, mamelà ny heloky ny Israely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Israely olonao ny ran’ny tsy manan-tsiny! Dia ho afa-keloka amin’izany ra izany izy ireo.
9
Ka hesorinao ho afaka aminao ny ran’ny tsy manan-tsiny, raha hanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO ianao.
10
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11
sady misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin’ny babo ka tianao hovadina,
12
dia ento ho ao an-tranonao izy ka asaivo haratany ny lohany, alàny ny hohony,
13
ary esoriny koa ny fitafiany tamin’ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny. Rehefa afaka izany, izay vao mahazo mandry aminy ianao ka hanambady azy, ary ho vadinao izy.
14
Fa raha tsy tianao intsony Ravehivavy dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy fa aza mivarotra azy hatakalo vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
15
Raha misy lehilahy mampirafy ka tiany ny iray fa tsy tiany kosa ny iray, ary samy miteraka aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak’ilay tsy tiany no lahimatoa;
16
amin’ny andro hanaovany didim-pananana ho an’ny zanany lahy dia tsy azo atao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
17
fa ny lahimatoa, zanak’ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjara avo roa heny amin’izay rehetra ananany; fa voalohan-janany izy ka azy ny fizokiana.
18
Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ny rainy, na ny feon’ny reniny, sady tsy zakany anarina,
19
dia hosamborin’ny rainy sy ny reniny izy ka hoentiny eo amin’ny loholona ao amin’ny tanànany, eo amin’ny vavahadin’ny tanàna onenany;
20
dia hiteny amin’ny loholona amin’ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy mpimamo.
21
Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; fa hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Israely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
22
Raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka vonoina ary ahantona amin’ny hazo
23
dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’iny ihany izy; fa voaozon’Andriamanitra izay mihantona amin’ny hazo; koa aza lotoina ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34