bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 11
Hosea 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
1
Fony mbola zaza Israely dia tiako izy ary nantsoiko hiala tany Ejipta ny zanako.
2
Nony nisy niantso azy dia vao mainka izy nandositra ireny; ho an’ireo Baala no namonoany zavatra hatao fanatitra ary ho an’ny sarin-javatra voasokitra no nandoroany ditin-kazo manitra.
3
Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha; eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy, nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy.
4
Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana. Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.
5
Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy, fa i Asiria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
6
Hisy sabatra hihodinkodina ao an-tanànany ka handrava ny manodidina ary handevona azy noho ny fikasana nananany.
7
Minia mikomy Amiko ny oloko; ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy dia tsy misy mety mitsangana akory.
8
Hataoko ahoana re no fahafoy anao, ry Efraima? Na ho fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana re no fitondra anao ho tahaka an’i Adma? Hataoko tahaka an’i Zeboima va ianao? Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
9
Tsy hampirehitra ny hatezerako Aho na handringana an’i Efraima intsony satria tsy olona Aho fa Andriamanitra, dia ny Iray Masina ao aminao, ka tsy ho avy amin’ny fahatezerana mirehitra Aho.
10
Hanaraka NY TOMPO ireny; hierona toy ny liona Izy; eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
11
Hanatona amin-kovitra avy any Ejipta toy ny voronkely izy ary avy any amin’ny tany Asiria toy ny voromailala; dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy NY TOMPO.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14