bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 4
Hosea 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
1
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Zanak’Israely! Fa manana ady amin’ny mponina amin’ny tany NY TOMPO satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany,
2
fa fanozonana sy lainga, famonoana sy halatra ary fijangajangana kosa; eny, manao an-keriny izy ary tsy mitsahatra ny mandatsa-dra.
3
Noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy mbamin’ny bibidia sy ny voromanidina; eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
4
Kanefa aza misy miampanga na manome tsiny fa ny olonao dia efa tahaka ireo mifamaly amin’ny mpisorona.
5
Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa dia hiara-tafintohina aminao amin’ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
6
Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana. Satria nandà ny fahalalana ianao, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
7
Arakaraka ny nitomboany no nanotany Tamiko ka hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8
Mamoky tena amin’ny fanatitra fanadiovana izay aterin’ny oloko izy ireo, ka satriny ihany ho diso ny olona.
9
Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; hovaliako noho ny lalany izy, ary hatsingeriko aminy ny nataony.
10
Koa hihinana izy nefa tsy ho voky, hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO.
11
Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahavery ny saina.
12
Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko ary ny tehiny no miteny aminy; fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy; mijangajanga izy ka manalavitra an’Andriamaniny.
13
Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra; eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta izay tsara alokaloka! Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.
14
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo raha mijangajanga izy, fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy. Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina.
15
Na dia mijangajanga aza ianao, ry Israely, aoka tsy mba hanota ny Joda; aza mankany Gilgala ianareo na miakatra any Bety-Avena; ary aza mianiana hoe: Raha velona koa NY TOMPO!
16
Fa maditra toy ny vantotra ombivavy maditra ny Israely; koa ankehitriny dia handrasan’NY TOMPO toy ny zanak’ondry eny amin’ny malalaka izy.
17
Lasa mpiombona amin’ny sampy i Efraima; aoka izy ho eo!
18
Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy. Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy.
19
Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14