bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 9
Hosea 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 10 →
1
Aza mifaly ry Israely, aza faly loatra toy ny firenena hafa, fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao, sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny!
2
Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3
Tsy honina ao amin’ny tanin’NY TOMPO izy; hiverina ho any Ejipta i Efraima ary hihinana zavatra tsy madio any Asiria.
4
Tsy hampidina divay ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady tsy hankasitrahany izany; tsy hankasitrahany ny zavatra vonoiny hatao fanatitra fa ho toy ny fahan-kanina ho an’ny mpisaona; ho voaloto izay rehetra homana izany; fa ny haniny dia ho an’ny tenany ihany ka tsy ho tafiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
5
Inona ary no hataonareo raha tonga amin’ny fotoam-pivavahana sy amin’ny andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO?
6
Fa e! Lasa nandositra ny fandringanana izy; i Ejipta no hanangona azy, i Memfisa no handevina azy; ho rakotry ny songosongo mandady ny fanaka volafotsiny sarobidy; tsilo no ho ao an-dainy.
7
Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fampamoahana; ho fantatr’Israely izany! Adala ny mpaminany ary very saina ny olona mahazo tsindrimandry noho ny halehiben’ny helokao sy habetsahan’ny fanoherana anao.
8
Miaraka amin’Andriamanitro ny mpitilin’i Efraima, dia ny mpaminany; eny amin’ny alehany rehetra ny haraton’ny mpamandri-borona ary tonga hatrany amin’ny tranon’Andriamaniny ny fankahalana azy.
9
Fatra-mpanao ratsy izy ireo, toy ny tany Gibea fahiny. Ho tsarovan’Andriamanitra ny helony ary hovaliany ny fahotany.
10
Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.
11
Ny amin’i Efraima, hihelina toy ny voromanidina ny voninahiny ka tsy hisy hiteraka, na hanana anaka, na ho torontoronina.
12
Na dia misy mitaiza aza ny zanany dia hofoanako ihany ireny mialoha ny maha lehibe azy. Eny, hahita loza tokoa izy amin’ny handaozako azy!
13
I Efraima, raha ny nahitako azy, dia voavoly ao amin’ny tany mahafinaritra tahaka an’i Tiro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ny mpamono izy.
14
TOMPO ô, omeo azy... Inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
15
Ao Gilgala ny fahotany rehetra; eny, tao no nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny asany dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy. Tsy ho tia azy intsony Aho fa mpikomy avokoa ny mpanapaka azy.
16
Voaratra i Efraima, maina ny fotony ka tsy hamoa intsony izy; eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy.
17
Harian’Andriamanitro izy satria tsy nihaino Azy; ho tonga mpirenireny any amin’ny Jentilisa izy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14