bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 2
Hosea 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
1
Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hilazana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo!
2
Dia hiara-mivory ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely ka hifidy iray ho lohany izy ireo, ary hisondrotra ambony eo amin’ny tany; fa ho lehibe ny andron’i Jezirela.
3
Milazà amin’ny rahalahinareo hoe Amỳ! ary amin’ny anabavinareo hoe Rohama!
4
Mifandahara amin’ny reninareo; eny, mifandahara fa tsy vadiko izy, ary tsy vadiny Aho! Aoka hesoriny hiala eo amin’ny tavany ny fijejojejoany ary tsy ho eo an-tratrany ny fijangajangany!
5
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hataoko toy ny tany efitra izy sy toy ny tany karankaina. Eny, hataoko matin-ketaheta izy;
6
tsy hamindra fo amin’ny zanany Aho satria zanaky ny fijangajangana ireny.
7
Nijangajanga ny reniny; eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra; fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho.
8
Koa indro, hotampenako ny lalanao, hasiako tsilo sady hasiako fefy. Dia tsy hahita izay lalan-kalehany intsony izy.
9
Hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy nefa tsy hahatratra azy; eny, hitady ireo lehilahiny ireo izy nefa tsy hahita; dia hiteny izy hoe: Handeha hody amin’ny vadiko taloha aho; fa sambatra kokoa aho tamin’izany noho ny ankehitriny.
10
Tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany, kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala izany!
11
Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.
12
Ankehitriny dia hasehoko eo imason’ireo lehilahiny ny fahamenarany ka tsy hisy hahafaka azy amin’ny tanako.
13
Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany; eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra.
14
Hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny izay nolazainy hoe: Karama maloto avy tamin’ireo lehilahiko ireto! Hataoko ho tonga kirihitra ireny ka hohanin’ny bibidia.
15
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny perany sy ny firavany. Nanaraka ireo lehilahiny izy fa Izaho kosa dia nohadinoiny, hoy NY TOMPO.
16
Koa indro, hitaona azy Aho ka hitondra azy ho any an-tany efitra ary hanao teny malefaka aminy.
17
Avy any dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora mba ho varavaran’ny fanantenana. Any no hamaliany Ahy toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany, toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.
18
Amin’izany andro izany Aho, hoy NY TOMPO, dia hantsoinao hoe Vadiko, fa tsy hantsoinao intsony hoe Baalako.
19
Hesoriko amin’ny vavany ny anaran’ireo Baala ka tsy hotsarovana amin’ny anarany intsony ireo.
20
Amin’izany andro izany dia hanao fanekena ho azy Aho, miaraka amin’ny bibidia sy ny voromanidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandeha amin’ny tany. Hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady ka hataoko mandry fehizay ny olona.
21
Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao; eny, hofofoiko ho vadiko marina tokoa ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo.
22
Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao ka hahalala NY TOMPO.
23
Amin’izany andro izany dia hamaly Aho, hoy NY TOMPO; eny, hamaly ny lanitra Aho ary izy kosa dia hamaly ny tany;
24
ny tany dia hamaly ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, ary ireo kosa dia hamaly an’i Jezirela.
25
Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao! Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao!
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14