bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 6
Hosea 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
1
Andeha hiverina amin’NY TOMPO isika! Fa Izy no namiravira nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no namely nefa Izy no hamehy ny ferintsika.
2
Rehefa afaka roa andro dia hovelominy indray isika ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika.
3
Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO. Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy ary toy ny faraorana mahavonto ny tany.
4
Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona amin’ny maraina ny fitiavanareo, tahaka ny ando izay levona raha vao maraina.
5
Noho izany no nitondrako ny mpaminany hamely azy; ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava
6
satria famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana manontolo.
7
Nivadika ny fanekena toy ny tany Adama ireny. Tao no nivadihany Tamiko.
8
I Gileada dia tanànan’ny mpanao ratsy lian-dra.
9
Toy ny jiolahy manao vela-pandrika ny fikambanan’ny mpisorona; mamono olona eny an-dalambe mankany Sekema izy; eny, fahafaham-baraka izany.
10
Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ao no nijangajangan’i Efraima sy naha voaloto an’Israely.
11
Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14