bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 7
Hosea 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 8 →
1
Raha ta hanasitrana ny Israely Aho dia miseho ny helok’i Efraima sy ny asa ratsin’i Samaria satria fatra-mpandainga izy; miditra ny mpangalatra, ary mandehandeha eny ivelany ny andian-jiolahy.
2
Tsy mihevitra ao am-pony izy fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra; ankehitriny dia gejain’ny nataony izy, ary tonga eo anatrehako izany.
3
Amin’ny asa ratsy ataony no ampifaliany ny mpanjaka ary amin’ny laingany no ampifaliany ny mpanapaka.
4
Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ny mpanao mofo izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5
Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ny herin’ny divay ny mpanapaka; nifandray tanana tamin’ny mpaniratsira izy.
6
Fa entin’ireo ho ao amin’ny vela-pandrika ny fony toy ny ho ao amin’ny fatana; mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanao mofo, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
7
Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny mpitsarany; efa lavo avokoa ny mpanjakany, ary tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
8
I Efraima dia miharoharo amin’ireo firenena; I Efraima dia efa tonga toy ny mofo tsy voavadika.
9
Lanin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany. Eny, efa miha fotsy volo ihany izy saingy tsy fantany.
10
Ny avonavon’Israely dia vavolombelona manameloka azy nefa tsy miverina amin’NY TOMPO Andriamaniny ihany izy; na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitady Azy izy.
11
Tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina i Efraima; efa niantso an’i Ejipta izy ary efa nankany Asiria.
12
Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany.
13
Lozan’izy ireo fa nandositra Ahy izy! Haringana izy satria nikomy tamiko! Ta hanavotra azy Aho, kanefa lainga no entiny milaza Ahy.
14
Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy fa midradradradra foana ao am-pandrianany; mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy sady mikomy hiala Amiko.
15
Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy.
16
Miverina ihany izy nefa tsy ho amin’ny Avo; tonga tahaka ny tsipìka mivaona fandeha izy; ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany. Izany no ho fandatsana azy any amin’ny tany Ejipta.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14