bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Hosea 5
Hosea 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
1
Henoinareo izao, ry mpisorona! Mihainoa, ry taranak’Israely! Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka, fa ianareo no hiharan’ny fitsarana satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo ary fandrika harato voavelatra ao Tabara.
2
Misy mpivadika fatra-mpamono, fa Izaho kosa dia famaizana ho azy rehetra.
3
Izaho dia mahalala an’i Efraima ary tsy miafina Amiko Israely; ankehitriny ianao, ry Efraima, dia tonga mpijangajanga ka voaloto Israely.
4
Tsy avelan’ny ataony hiverina amin’Andriamanitra izy satria ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny ary tsy mahalala NY TOMPO izy.
5
Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’ny Israely; ho lavon-keloka Israely sy i Efraima; hiara-lavo amin’izy ireo koa i Joda.
6
Hitondra ny omby aman’ondriny izy ka handeha hitady NY TOMPO nefa tsy hahita Azy satria NY TOMPO efa niala taminy.
7
Nivadika tamin’NY TOMPO izy ireo satria niteraka zazasary; ankehitriny dia ho levonin’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny anjara lovany.
8
Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ao Rama ny trompetra! Miantsoantsoa mafy ao Bety-Avena! Jereo ao aoriananao ry Benjamina!
9
Ho lao i Efraima raha tonga amin’ny andro fanamelohana. Zavatra tsy maintsy ho to no nampahafantariko teo amin’ireo fokon’ny Israely.
10
Ny mpanapaka an’i Joda dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany, koa ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny riaka.
11
Ampahoriana i Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana satria ninia nanaraka zava-poana izy.
12
Koa amin’i Efraima Aho dia tahaka ny kalalao ary amin’ny taranak’i Joda dia toy ny fahalovana.
13
Hitan’i Efraima ny aretiny ary hitan’i Joda ny feriny; dia nankany Asiria i Efraima; eny, nandefa iraka ho any amin’i Jareba mpanjaka izy; nefa sady tsy mahasitrana anareo izy no tsy mahatsabo ny ferinareo,
14
satria amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora. Izaho dia Izaho no mamiravira dia lasa mandeha. Lasako izy ka tsy misy mahavonjy.
15
Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Hitady Ahy fatratra izy rehefa azom-pahoriana.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14