bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 10
Judges 10
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 11 →
1
Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima.
2
Nitsara ny Israely nandritra ny telo amby roapolo taona izy dia maty ka nalevina tao Samira.
3
Nitsangana nandimby azy i Jaira gileadita ka nitsara ny Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.
4
Nanana zanakalahy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora telopolo izy sady nanana tanàna telopolo any amin’ny tany Gileada; antsoina hoe Havota-Jaìra ireny mandraka androany.
5
Dia maty i Jaira ka nalevina tany Kamona.
6
Ary ny Zanak’Israely dia nanao izay ratsy ihany teo imason’NY TOMPO ka nanompo ireo Baala* sy ireo Astarta*, ireo andriamanitr’i Siria, ireo andriamanitr’i Sidona, ireo andriamanitr’i Moaba, ireo andriamanitry ny Amonita ary ireo andriamanitry ny Filistina. Nahafoy NY TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.
7
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nivarotra azy ho eo an-tanan’ny Filistina sy ho eo an-tanan’ny Amonita Izy.
8
Namoritra sy nanao tsindry hazo lena ny Zanak’Israely ireo tamin’izany taona izany; valo amby folo taona no nampahoriany ny Zanak’Israely rehetra izay tany andafin’i Jordana, tany amin’ny tanin’ny Amorita any Gileada.
9
Nita ny Jordana ny Amonita mba hiady amin’i Joda sy i Benjamina koa ary ny taranak’i Efraima ka tra-pahoriana mafy ny Israely.
10
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely hoe: Efa nanota Taminao izahay, satria nahafoy an’Andriamanitray ka nanompo ireo Baala.
11
Hoy NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely: Moa tsy nampahory anareo va ny Ejiptiana, ny Amorita, ny Amonita, ny Filistina,
12
ny Sidoniana, ny Amalekita ary ny Maonita ka nitaraina Tamiko ianareo dia novonjeko tamin’ny tanany?
13
Nefa nahafoy Ahy ianareo ka nanompo andriamanitra hafa. Koa izany no tsy hamonjeko anareo intsony.
14
Mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra izay nofidinareo! Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahorianareo!
15
Ary hoy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao. Kanefa mba afaho ihany izahay anio!
16
Dia nanary ireo andriamanitra hafa tao aminy izy ka nanompo NY TOMPO; tsy nahazaka nijery ny fijalian’ny Israely intsony NY TOMPO.
17
Nivory ny Amonita ka nitoby tany Gileada. Nivory kosa ny Zanak’Israely ka nitoby tany Mizpa.
18
Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’i Gileada hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ny Amonita? Ho lohany amin’ny mponina rehetra any Gileada izy!
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21