bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 12
Judges 12
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
1
Ary nivory ny lehilahin’i Efraima dia nandeha nianavaratra ka niteny tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny Amonita ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao!
2
Fa hoy i Jefta taminy: Izaho sy ny oloko dia niady mafy tamin’ny Amonita; ary niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.
3
Koa rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ny Amonita ary natolotry NY TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra hila ady amiko amin’ity andro ity?
4
Ary namory ny lehilahin’i Gileada rehetra i Jefta ka niady tamin’i Efraima. Dia namely an’i Efraima ny lehilahin’i Gileada, satria hoy ireo: Ianareo Gileadita dia mpandositra avy tamin’i Efraima, ao amin’ny taranak’i Efraima sy i Manase!
5
Dia novonjen’ny Gileadita ny fitàna any Jordana mankany amin’i Efraima. Rehefa niteny ny mpandositra avy amin’i Efraima hoe: Aoka mba hita aho, dia hoy ny lehilahin’ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? Ary raha hoy izy: Tsia,
6
dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta. Dia hoy izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy izy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany.
7
Enina taona no nitondran’i Jefta ny Israely. Dia maty i Jefta gileadita ka nalevina tao amin’ny tanàna iray any Gileada.
8
Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorianan’i Jefta.
9
Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo, izay nampanambadiny tany ivelany izy, ary zazavavy telopolo kosa no nampidiriny ho an’ny zanany lahy. Nitsara ny Israely nandritra ny fito taona izy;
10
dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
11
Ary i Elona Zebolonita no nitsara ny Israely taorianany. Nitsara ny Israely folo taona izy;
12
dia maty i Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ny tanin’i Zebolona.
13
Taorianany dia i Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Israely.
14
Nanana zanakalahy efapolo sy zafy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora fitopolo izy ary nitsara ny Israely nandritra ny valo taona;
15
dia maty i Abdona, zanak’i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalekita.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21