bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 9
Judges 9
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 10 →
1
Ary nandeha nankany Sekema tany amin’ny anadahin-dreniny i Abimeleka, zanak’i Jerobaala ka niresaka taminy sy tamin’ny fianakavian-dreniny rehetra hoe:
2
Mba mitenena ianareo amin’ireo lehibe rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: Ny hiarahan’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobaala hanapaka anareo va, sa ny hanapahan’ny lehilahy iray anareo? Tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho!
3
Ary nilaza ny momba azy teo anatrehan’ireo lehibe rehetra tao Sekema ireo anadahin-dreniny ka nitondra izany teny rehetra izany, dia nirona tamin’i Abimeleka ny fony, fa hoy izy ireo: Rahalahintsika izy.
4
Dia nomeny volafotsy fitopolo sekela avy tao an-tranon’i Baala-Berita izy, ary nanambazan’i Abimeleka olom-poana sy maditra maromaro hanaraka azy izany volafotsy izany.
5
Dia nankany an-tranon’ny rainy tany Ofra izy ka namono ireo rahalahiny fitopolo lahy, zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray. I Jotama, faralahin’i Jerobaala, no sisa velona satria niery izy.
6
Dia nivory ny lehibe rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an’i Abimeleka teo anilan’ny hazo terebinta*, akaikin’ny tsangambato any Sekema.
7
Ary nisy nilaza izany tamin’i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Gerizima ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa ahy, ianareo lehibe ao Sekema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo kosa!
8
Niainga, hono, ny hazo maniry, mba hanosotra mpanjaka hanjaka aminy ka hoy izy ireo tamin’ny hazo oliva: Manjakà aminay ianao!
9
Fa hoy ny hazo oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko izay ankalazan’ireny andriamanitra sy ny olona ireny ahy ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho?
10
Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay!
11
Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho?
12
Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny voaloboka: Avia ianao ka manjakà aminay!
13
Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko izay mahafaly ireo andriamanitra sy ny olona ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho?
14
Ary hoy ny hazo maniry rehetra tamin’ny tsilo: Avia ianao ka manjakà aminay!
15
Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo maniry: Raha hosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona!
16
Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin’ny nampanjakanareo an’i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin’i Jerobaala sy ny taranany ka novalìnareo araka izay nataon’ny tanany izy,
17
fa ny raiko anie no niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Midianita,
18
nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy;
19
koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka ianareo, ary aoka hifaly aminareo kosa izy!
20
Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’i Abimeleka!
21
Dia riatra nandositra i Jotama ka nankany Bera ary nitoetra tao mba hiery an’i Abimeleka rahalahiny.
22
Nitondra ny Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka.
23
Ary Andriamanitra naniraka fanahy ratsy nampisara-tsaina an’i Abimeleka sy ireo lehibe tao Sekema ka nivadika tamin’i Abimeleka ireo lehibe tao Sekema,
24
mba hitsingerenan’ny loza natao tamin’ny zanak’i Jerobaala fitopolo lahy ka hanody an’i Abimeleka rahalahiny ny rany tamin’ny namonoany azy, sy hanody an’ireo lehibe tao Sekema izay nanainga ny tanany hamono ny rahalahiny.
25
Nametrahan’ny mponina tao Sekema vela-pandrika tany an-tampon-tendrombohitra izy dia nobaboin’ny vela-pandrika izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany. Nambara tamin’i Abimeleka izany.
26
Dia tonga tao i Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny, ka nankany Sekema, ary natoky azy ny mponina tao Sekema.
27
Nivoaka ho any an-tsaha izy ireo ka nioty ny voalobony dia nanosihosy azy sady nikorana; avy eo ireo dia niditra tao amin’ny tempolin’ny andriamaniny ary nihinana sy nisotro sady nanozona an’i Abimeleka.
28
Hoy i Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa i Abimeleka, ary iza moa i Sekema, no hanompo an’i Abimeleka isika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy io? Ary tsy i Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema ianareo; fa nahoana isika no hanompo an’i Abimeleka?
29
Enga anie ka ho eo ambanin’ny fahefako ireto olona ireto, dia hesoriko i Abimeleka! Dia hoy izy tamin’i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha hiady!
30
Rehefa ren’i Zebola, governoran’ny tanàna, ny tenin’i Gala, zanak’i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31
Nandefa iraka mangingina ho any amin’i Abimeleka izy hilaza hoe: Indro, tonga ato Sekema i Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny; ary indro, manainga ny ato an-tanàna hikomy aminao izy.
32
Koa ankehitriny, miaingà amin’ny alina ianao sy ny vahoaka miaraka aminao ka manaova vela-pandrika any an-tsaha.
33
Ary amin’ny maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza ka miroata hamely ny tanàna. Rehefa mivoaka hiady aminao i Gala sy ny vahoaka miaraka aminy dia ataovy izay hanaovanao azy.
34
Dia niainga tamin’ny alina i Abimeleka sy ny vahoaka rehetra niaraka taminy ka nanao vela-pandrika efa-toko tandrifin’i Sekema.
35
Dia nivoaka ny tanàna i Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao amin’ny vela-pandrika i Abimeleka sy ny vahoaka izay niaraka taminy.
36
Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona.
37
Dia mbola niteny indray i Gala hoe: Indreo, misy olona midina avy ao afovoan’ny tany ary indreo, misy antokony hafa mandeha amin’ny lalana eo amin’ny hazo terebinta* n’ny mpimasy.
38
Dia hoy i Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa i Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy!
39
Dia niainga i Gala ka nitarika ny mponina tao Sekema ary niady tamin’i Abimeleka.
40
Dia nanenjika azy i Abimeleka ka nandositra teo anoloany izy ary maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan’ny vavahady aza.
41
Ary i Abimeleka dia nonina tany Aroma. Ary nandroaka an’i Gala sy ny rahalahiny i Zebola mba tsy honina any Sekema intsony ireo.
42
Nony ampitson’iny dia nivoaka ny tanàna ho any an-tsaha ny olona ary nisy nanambara izany tamin’i Abimeleka.
43
Dia naka ny olony izy ka nizara azy ho telo toko ary nanao vela-pandrika tany an-tsaha. Rehefa hitany fa indreo, nivoaka avy tao an-tanàna ny olona, dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
44
Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45
Ary namely ny tanàna mandritra izany andro izany i Abimeleka dia nahazo azy ka namono ny olona tao. Noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
46
Nony nandre izany ireo lehibe rehetra tao Migdala-Sekema dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Ely-Berita.
47
Ary nisy nilaza tamin’i Abimeleka fa tafangona tao Migdala-Sekema ireo lehibe rehetra.
48
Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo.
49
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’i Abimeleka; napetrany teo amin’ilay efitrano fierena izany ary nodorany tamin’ny afo. Koa maty ny olona rehetra tao Migdala-Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo ny isany.
50
Dia nandeha nankany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby tandrifin’i Tebeza ka nahazo azy.
51
Fa nisy manda avo sady mafy teo afovoan’ny tanàna; nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ireo lehibe rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao ary niakatra teo an-tampon’ny manda avo.
52
Tonga teo amin’ilay manda avo i Abimeleka ka namely azy, ary nanatona ny varavaran’ny manda avo izy mba handoro azy amin’ny afo.
53
Fa nisy vehivavy iray nanjera vato fikosoham-bary tamin’ny lohan’i Abimeleka ka nahavaky ny karandohany.
54
Dia nantsoin’i Abimeleka haingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao ka vonoy aho mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo ka maty izy.
55
Rehefa hitan’ny lehilahin’ny Israely fa maty i Abimeleka dia samy lasa nandeha ho any amin’ny fonenany avy izy.
56
Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay nataony tamin’ny rainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy.
57
Ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ireo lehibeny avokoa ka nihatra taminy ilay ozona nataon’i Jotama, zanak’i Jerobaala.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21