bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 17
Judges 17
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 18 →
1
Nisy lehilahy tany amin’ny tany be havoana any Efraima, nantsoina hoe Mika.
2
Hoy izy tamin’ny reniny: Ilay volafotsy zato sy arivo sekela nisy naka taminao, izay nasianao ozona, sady nolazainao teo anatrehako izany, indro, ato amiko ny volafotsy; izaho no naka azy. Dia hoy reniny: Hotahìn’NY TOMPO anie ny zanako!
3
Rehefa naveriny tamin’ny reniny ny volafotsy zato sy arivo sekela dia hoy reniny: Atokako ho an’NY TOMPO tanteraka ity vola avy amin’ny tanako ity ka atolotro ho an’ny zanako hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika, ary ankehitriny dia averiko aminao izy.
4
Rehefa naveriny tamin’ny reniny ary ny volafotsy dia naka volafotsy roanjato sekela ny reniny ka nomeny ny mpanefy volafotsy izany mba hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika. Dia natao tao an-tranon’i Mika izany.
5
Dia tonga nanana tranon’Andriamanitra ary izany lehilahy natao hoe Mika izany; nanamboatra efoda* sy terafima* izy ary ny zanany lahy iray no natokany ho mpisorony.
6
Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely fa samy nanao izay noheveriny ho mety avy ny olona rehetra.
7
Nisy zatovo iray, avy any Betleheman’i Joda, tamin’ny fianakavian’i Joda; levita* izy io ary mpivahiny nitoetra tao.
8
Ary niala tao amin’ny tanàna Betleheman’i Joda Ralehilahy mba hivahiny any amin’izay azony hitoerana; nony nandeha izy dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao amin’ny tranon’i Mika.
9
Hoy i Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Hoy izy taminy: Levita avy any Betleheman’i Joda aho ka handeha hivahiny any amin’izay azoko hitoerana.
10
Dia hoy i Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, dia homeko sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ampy ary sakafo. Dia lasa nandeha ilay levita.
11
Avy eo dia nanaiky hitoetra tao amin-dRalehilahy ilay levita ka tonga tahaka ny zanany.
12
Dia natokan’i Mika ilay levita ka tonga mpisorony; nitoetra tao an-tranon’i Mika izy.
13
Dia hoy i Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy NY TOMPO satria manana ity levita ity ho mpisoroko aho.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21