bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 18
Judges 18
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
1
Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely; tamin’izany andro izany koa dia nitady lova mba honenany ny fokon’i Dana, satria hatramin’izany andro izany dia tsy mbola nisy lova voatondro ho azy teo amin’ireo fokon’ny Israely.
2
Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.
3
Koa satria teo akaikin’ny tranon’i Mika no nisy azy dia fantany ny feon’ilay zatovo levita*. Dia nivily tao izy ireo ka niteny taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? Maninona atỳ ianao? Ary inona no fanananao atỳ?
4
Hoy izy tamin’ireo: Izao sy izao no nataon’i Mika tamiko ary nanome karama ahy izy ka tonga mpisorony aho izao.
5
Hoy izy ireo taminy: Miangavy anao izahay, manontania amin’Andriamanitra hahafantaranay na hambinina amin’ny lalana alehanay izahay na tsia.
6
Hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana amin’ny fiadanana; fa eo anatrehan’NY TOMPO izao lalana alehanareo izao.
7
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy araka ny fomban’ny Sidoniana, nandry fehizay sady tsy nanana ahiahy; tsy nisy mpandroba natahorana teo amin’ny tany; ary lavitra ny Sidoniana izy ireo sady tsy nanana fifandraisana tamin’olon-kafa akory.
8
Dia nandeha ho any amin’ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; hoy ireo rahalahiny taminy: Ahoana ny hevitrareo ny amin’izany?
9
Dia hoy ireo: Mitsangàna ka aoka isika hiakatra hamely azy. Efa nahita ny tany izahay fa indro, tena tany tsara. Kanefa ianareo tsy misy miteny! Aza malain-kandeha hiditra handray ny tany!
10
Raha mandeha ianareo dia ho tonga any amin’ny olona tsy manana ahiahy sy any amin’ny tany malalaka; fa efa natolotr’Andriamanitra ho eo an-tananareo izany, dia tany tapi-javatra irina etỳ ambonin’ny tany.
11
Dia nisy niainga avy tamin’ny fianakavian’i Dana, avy tany Zora sy Estaola; eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany.
12
Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-Jearima any Joda. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany hoe Mahane-Dana mandraka androany; indro, eo andrefan’i Kiriata-Jearima izany.
13
Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika.
14
Hoy izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany Laisy, tamin’ireo rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda* sy terafima* ary sarin-javatra voasokitra ary sarin-javatra voarendrika? Koa hevero izay hataonareo.
15
Dia nivily tao izy ireo ka tonga tao amin’ny tranon’ilay zatovo levita, tao an-tranon’i Mika, dia niarahaba azy.
16
Ary ny eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany izay avy tamin’ny taranak’i Dana, dia nijanona teo anoloan’ny vavahady.
17
Dia niakatra izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany ka niditra ary naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika; tamin’izany ilay mpisorona dia nijoro teo anoloan’ny vavahady, niaraka tamin’ny eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany.
18
Niditra tao amin’ny tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika. Dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona no ataonareo eto?
19
Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely?
20
Dia faly ny fon’ilay mpisorona ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, dia nandeha voahodidin’ny olona izy.
21
Dia niainga izy ireo ka lasa nandeha ary ny zaza amam-behivavy sy ny omby aman’ondry mbamin’ny fananany dia nataony teo alohany.
22
Rehefa lasa lavitra ny tranon’i Mika izy ireo dia nifamory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’i Mika ka nanenjika ny taranak’i Dana.
23
Dia niantso ireo taranak’i Dana izy. Niherika ireo ka niteny tamin’i Mika hoe: Maninona ianao no miantsoantso toy izao?
24
Hoy izy: Nalainareo ny andriamanitro izay namboariko ary nalainareo koa ny mpisorona; koa inona intsony no mba ho ahy? Ahoana no itenenanareo amiko hoe: Maninona ianao?
25
Hoy ny taranak’i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo ka hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
26
Dia nandeha tamin’ny nalehany ny taranak’i Dana. Rehefa hitan’i Mika fa nahery noho izy ireo dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27
Nalain’izy ireo ary ny zavatra nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy. Notafihany i Laisy, izay olona mandry fehizay sady tsy manana ahiahy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.
28
Tsy nisy namonjy izy, satria lavitra an’i Sidona izany tanàna izany ary tsy nifandray tamin’olona akory, sady tao amin’ny lohasaha izay miitatra mankany Bety-Rehoba no nisy azy. Dia nanorina indray ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29
Ary ny anaran’ny tanàna dia nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana rainy izay naterak’Israely, fa Laisy no anaran’ny tanàna taloha.
30
Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary i Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ireo zanany lahy, no mpisorona ho an’ny fokon’i Dana hatramin’ny fotoanan’ny fahababoana.
31
Natsangany ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’i Mika. Naharitra nandritra ny andro rehetra niorenan’ny tranon’Andriamanitra tao Silo izany.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21