bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 13
Judges 13
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
1
Ary ny Zanak’Israely dia nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO indray ka natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Filistina nandritra ny efapolo taona.
2
Nisy lehilahy avy tany Zora, avy amin’ny fianakavian’ny Danita, i Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3
Ary niseho tamin-dRavehivavy ilay Anjelin’NY TOMPO* ka niteny taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4
Koa mitandrema ianao ankehitriny ka aza misotro divay na toaka ary aza mihinana izay zavatra maloto, na inona na inona izany.
5
Fa indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy hokasihin-kareza ny lohany fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza. Izy no hanomboka hamonjy ny Israely amin’ny tanan’ny Filistina.
6
Dia nandeha Ravehivavy ka nilaza tamin’ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery ilay Anjelin’Andriamanitra* ka tsy nanontany Azy izay niaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7
Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza.
8
Ary nangataka tamin’NY TOMPO i Manoa hoe: Tompo ô, aoka mba hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay nirahinao, ka hampianatra anay ny fomba hitondranay ny zaza izay ho teraka.
9
Ary Andriamanitra nihaino ny feon’i Manoa ka nankany amin-dRavehivavy indray ilay Anjelin’Andriamanitra raha tany an-tsaha izy; fa tsy teo aminy i Manoa vadiny.
10
Dia nihazakazaka haingana Ravehivavy ka nanambara tamin’ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin’ilay indray andro!
11
Dia nitsangana i Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Ianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dRavehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
12
Dia hoy i Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no fomba hitondranay ny zaza ary inona no ho asany?
13
Hoy ilay iraky NY TOMPO tamin’i Manoa: Izay rehetra nolazaiko tamin-dRavehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
14
Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
15
Ary hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Aoka mba hotananay Ianao mandra-panomanay zanak’osy ho Anao!
16
Dia hoy ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny mofonao; fa raha hanolotra fanatitra dorana manontolo ianao, dia aoka NY TOMPO no hanoloranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’NY TOMPO Izy.
17
Dia hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Iza moa no anaranao mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
18
Hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Anarana mahagaga izany!
19
Dia naka ny zanak’osy sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry i Manoa ka nanolotra ireny ho fanatitra dorana manontolo teo amin’ny vatolampy ho an’NY TOMPO izay miasa amin’ny fomba mahagaga; ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny.
20
Rehefa niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara ilay Anjelin’NY TOMPO. Ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny dia niankohoka tamin’ny tany.
21
Ary tsy niseho tamin’i Manoa sy ny vadiny intsony ilay Anjelin’NY TOMPO. Dia fantatr’i Manoa tamin’izay fa Anjelin’NY TOMPO izy.
22
Ary hoy i Manoa tamin’ny vadiny: Ho faty tokoa isika satria efa nahita an’Andriamanitra!
23
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitraky NY TOMPO ny hahafaty antsika dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy tamin’ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
24
Ary niteraka zazalahy Ravehivavy ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nitombo ny zaza ary NY TOMPO nitahy azy.
25
Dia nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’NY TOMPO tany Mahane-Dana, teo anelanelan’i Zora sy i Estaola.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21