bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 16
Judges 16
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 17 →
1
Nankany Gaza i Samsona ka nahita vehivavy janga teo dia niditra tao aminy.
2
Ary nisy nilaza tamin’ny Gazita hoe: Tonga atỳ i Samsona. Dia nanodidina azy izy ireo ka nanao vela-pandrika mandritra ny alina teo am-bavahadin’ny tanàna ary nangina mandritra ny alina, fa hoy ireo: Rehefa maraina ny andro dia hovonointsika izy.
3
Ary nandry mandra-paha-mamatonalina i Samsona. Dia nifoha izy nony namatonalina ka noraisiny ireo lelam-baravarana teo amin’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony dia noentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona.
4
Rehefa afaka izany dia nitia vehivavy iray, tany an-dohasaha Soreka, izy. Nantsoina hoe Delila izy io.
5
Ary ireo andrianan’ny Filistina dia niakatra nankany amin-dRavehivavy ka niteny taminy hoe: Kolikoleo izy ka zahao izay itoeran’ny heriny lehibe sy izay hahafahanay mandresy azy ka hamatoranay azy ary hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekela zato sy arivo avy izahay rehetra.
6
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mba lazao amiko izay itoeran’ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao ka hahafolaka anao.
7
Hoy i Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy dia ho tonga osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa rehetra.
8
Dia nitondran’ireo lehiben’ny Filistina tady vaovao fito izay tsy mbola maina Ravehivavy ka namatotra azy tamin’ireny.
9
Tamin’izany dia efa nisy lehilahy nanao vela-pandrika ka nitoetra tao amin-dRavehivavy tao an’efitranony. Dia hoy Ravehivavy tamin’i Samsona: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notapahiny tahaka ny fahatapahan’ny tady rongony izay efa maimbo afo ny tady. Kanefa tsy fantatra izay fiavian’ny heriny.
10
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko. Ankehitriny, mba lazao amiko re izay hahazoana mamatotra anao.
11
Dia hoy izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nampiasaina no amatorana ahy mafy dia ho tonga osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa rehetra.
12
Dia naka mahazaka vaovao i Delila ka namatorany azy izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Tamin’izany dia efa nisy nanao vela-pandrika nitoetra tao amin’ny efitrano. Dia notapahin’i Samsona ho afaka tamin’ny sandriny ireny, tahaka ny fahatapahan’ireny kofehy tsy voafoly ireny.
13
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako.
14
Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona.
15
Dia hoy Ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nilaza hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izao ary tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe.
16
Rehefa nanjohy azy isanandro tamin’ny teniny Ravehivavy ka nahasosotra azy dia tonga leon’ny miaina izy ka naniry ho faty aza.
17
Dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha aratana aho dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tonga tahaka ny olona rehetra.
18
Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany.
19
Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.
20
Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy.
21
Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ny gadra varahina. Nanodina ny vato fikosoham-bary tao amin’ny trano famatorana no nataony.
22
Naniry indray anefa ny volon-dohany efa voaharatra.
23
Ary nivory ireo lehiben’ny Filistina hamono zavatra hatao fanatitra lehibe ho an’i Dagona, andriamaniny sy hifaly. Hoy ireo: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika!
24
Rehefa nahita azy ny vahoaka dia nidera ny andriamaniny hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanapotika ny tanintsika, sady nahabe maty antsika!
25
Rehefa faly iny ny fony dia niteny izy ireo hoe: Alao i Samsona mba hanao kilalao ho antsika! Dia nampaka an’i Samsona avy tao an-trano famatorana izy ka nanao kilalao teo anatrehan’ireo i Samsona. Nampijoroiny teo anelanelan’ny andry izy.
26
Ary hoy i Samsona tamin’ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano mba hiankinako aminy.
27
Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan’ny Filistina rehetra, ary teo an- tampon-trano* koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo izay finaritra nijery an’i Samsona nanao kilalao.
28
Ary niantso NY TOMPO i Samsona hoe: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, tsarovy aho ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hanaovako indray mamaly ny Filistina noho ny masoko roa!
29
Dia nitady hitsapa ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano izy, ny iray dia tamin’ny tanany havanana, ary ny iray dia tamin’ny tanany havia, ka niankina tamin’ireo.
30
Dia hoy i Samsona: Aoka hiara-maty amin’ny Filistina aho. Dia nioitra mafy i Samsona ka nianjera tamin’ireo lehibe sy ny vahoaka rehetra teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ny nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny andro niainany.
31
Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21