bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Judges 19
Judges 19
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 20 →
1
Tamin’izany andro izany, fony tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely, dia nisy levita* iray nivahiny tany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima ka naka vady tsindrano avy any Betleheman’i Joda.
2
Ary ny vady tsindranony dia nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon’ny rainy any Betleheman’i Joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
3
Dia niainga Ralehilahy ka nandeha nanaraka azy mba hanambitamby sy hampody azy. Noentiny niaraka taminy ny zatovony sy boriky roa. Nampiantranoin-dRavehivavy ho ao an-tranon’ny rainy izy, koa nony hitan’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy dia faly nihaona taminy izy.
4
Nihazona azy ny rafozany, rain-dRazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy sy ny zatovony, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao.
5
Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha vao maraina izy roa lahy, koa rehefa niomana handeha dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, avy eo dia handeha ianareo.
6
Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro. Dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin-dRalehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina ary aoka ho faly ny fonao!
7
Rehefa nitsangana handeha Ralehilahy dia nanery azy hijanona ny rafozany ka tafandry tao indray izy.
8
Dia nifoha vao maraina indray izy tamin’ny andro fahadimy mba handeha nefa hoy ny rain-dRazazavavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao ka mijanonjanòna aloha mandra-pihilan’ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy.
9
Rehefa niainga handeha Ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompolahiny dia hoy ny rafozany, rain-dRazazavavy, taminy: Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa miangavy re, mandria ihany anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro ka mandria eto, mba hifalian’ny fonao! Rahampitso dia hifoha vao maraina ianareo ka handeha hody ianao.
10
Tsy nety nijanona handany ny alina intsony anefa Ralehilahy fa niainga izy ka nandeha dia tonga tandrifin’i Jebosa na Jerosalema, niaraka tamin’ny boriky roa samy voaisy lasely ary koa ny vady tsindranony.
11
Rehefa tonga teo akaikin’i Jebosa izy ireo ka efa ho hariva ny andro dia hoy ny zatovo tamin’ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ity tanànan’ny Jebosita ity isika ka handry ao.
12
Hoy anefa ny tompony taminy: Tsy hiakatra ao amin’ny tanànan’ny hafa firenena izay tsy misy Israelita isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
13
Hoy ihany izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hizotra hakamin’ny iray amin’irerỳ tanàna irerỳ, dia i Gibea na i Rama, ka handry any.
14
Dia nandroso izy ka nandeha. Ary raha mbola teo akaikin’i Gibea izay an’i Benjamina, izy, dia nilentika ny masoandro.
15
Dia nivily lalana ho any Gibea izy mba handeha handry ao. Niditra izy dia nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna nefa tsy nisy olona nampiantrano azy mba handriany amin’ny alina.
16
Ary indro, nisy lahiantitra iray avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ny tany be havoana any Efraima koa izy io, saingy vahiny nitoetra tany Gibea; fa ny mponina tao amin’izany tanàna izany dia ny Benjamina.
17
Rehefa nanopy ny masony ilay lahiantitra ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ny tanàna dia niteny hoe: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
18
Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy.
19
Misy mololo sy hanina ihany anefa ho an’ny borikinay sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an’ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao. Tsy misy zavatra ilainay intsony.
20
Dia hoy ilay lahiantitra: Fiadanana anie ho anao! Aoka ho adidiko izay rehetra ilainao fa aza mandry eto an-kianja eto!
21
Dia nampiditra azy tao an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
22
Raha mbola nampifaly ny fony izy dia indreo, nisy lehilahy tao an-tanàna, izay lehilahy tena ratsy fanahy, tonga nanodidina ny trano ka nandondòna mafy teo am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao mba hahalalanay azy.
23
Dia nivoaka nankeo aminy Ralehilahy tompon-trano ka niteny taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao izay ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo!
24
Indro ny zanako vavy virijiny sy ny vady tsindranon-dRalehilahy, aoka hoentiko mivoaka ireo ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany!
25
Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.
26
Rehefa ho maraina ny andro dia tonga Ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dRalehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka tavela teo mandra-pahazava ny andro.
27
Dia nifoha maraina Ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany. Kanjo indro, Ravehivavy vady tsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano ary eo amin’ny tokonana ny tanany.
28
Hoy Ralehilahy taminy: Mitsangàna fa andeha isika. Kanjo tsy nisy valiny. Dia nobatain-dRalehilahy izy ka nasampiny teo amin’ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ny fonenany.
29
Rehefa tonga tao an-tranony izy dia naka antsy ary noraisiny ny fatin’ilay vady tsindranony dia norasainy araka ny famavanin’ny taolana ho roa amby folo toko ka nampitondrainy manerana ny tanin’ny Israely rehetra.
30
Hoy izay rehetra nahita: Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao, na nahitan-javatra toy izao hatramin’ny andro niakaran’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina ka ambarao.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21