bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 11
Proverbs 11
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
1
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vato marina no ankasitrahany.
2
Rehefa tonga ny fiavonavonana dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny manetry tena no misy ny fahendrena.
3
Ny fahitsian’ny mahitsy no mitari-dalana azy, fa ny faharatsian’ny mpivadika no mahatonga faharinganana amin’ny tenany.
4
Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana, fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.
5
Mandamina ny alehany ny fahamarinan’ny marina, fa ny ratsy fanahy dia lavon’ny faharatsiany ihany.
6
Manafaka ny mahitsy ny fahamarinany, fa ny mpivadika dia voafandriky ny filany.
7
Raha maty ny ratsy fanahy dia levona ny fanantenany, eny, foana izay nantenainy tamin’ny heriny.
8
Ny marina dia vonjena ho afaka amin’ny fahoriana, fa ho avy kosa ny ratsy fanahy handimby toerana azy.
9
Ny tenin’ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany, fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
10
Raha miadana ny marina dia ravoravo ny tanàna; raha ringana ny ratsy fanahy dia velona ny hoby.
11
Ny fitahiana avy amin’ny marina no mampisandratra ny tanàna, fa ny tenin’ny ratsy fanahy no maharava azy.
12
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany, fa izay hendry kosa mangina.
13
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny zavatra afenina, fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14
Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina.
15
Hahita loza tokoa ny miantoka vahiny, fa mitoetra tsy manana ahiahy ny mankahala antoka.
16
Mahazo dera ny vehivavy tsara tarehy ary mandroba harena ny mpampihorohoro.
17
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.
18
Ny ratsy fanahy dia mahazo tambiny mamitaka, fa izay mamafy fahamarinana no mahazo karama marina.
19
Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana, fa izay fatra-panaraka ny ratsy no iharan’ny fahafatesana.
20
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny fo miolakolaka, fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21
Azo antoka fa tsy maintsy handray ny saziny ny ratsy fanahy, fa ny taranaky ny marina no ho afa-doza.
22
Toy ny kavina volamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy manam-pahendrena.
23
Ny soa ihany no irin’ny marina, fa ny fahatezerana no fanantenan’ny ratsy fanahy.
24
Misy malala-tanana nefa mitombo fananana ihany ary misy izay fatra-pitahiry loatra nefa tonga mahantra ihany.
25
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
26
Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ny olona, fa saotra no ho amin’ny lohan’izay mivarotra.
27
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra, fa izay mitady ny ratsy dia hahita ny ratsy.
28
Izay matoky ny hareny dia ho lavo, fa ny marina dia ho tahaka ny ravin-kazo maitso.
29
Izay manakorontana ny ankohonany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon’ny hendry.
30
Ny vokatry ny marina dia hazon’aina ary ny hendry mahataona olona.
31
Indro, ny marina aza dia valina etỳ an-tany, koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31