bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 7
Proverbs 7
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
1
Anaka, tandremo ny teniko ary raketo ao aminao ny didiko.
2
Tandremo ny didiko dia ho velona ianao ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalànako.
3
Afehezo eo amin’ny rantsantananao ireny ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka ireny.
4
Lazao amin’ny fahendrena hoe: Anabaviko ianao! Ary ny fahaiza-misaina dia antsoy hoe: Havako akaiky ianao
5
mba hiarovana anao amin’ny vehivavy jejo, dia amin’ny vehivavy janga izay manao teny manodoka.
6
Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako
7
ka nahita ny iray tamin’ireny kely saina ireny aho; eny, nandinika ireo tanora aho ka nahita zazalahy iray tsy ampy saina
8
izay nandeha tamin’ny lalana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga sady nizotra moramora nankany an-tranony,
9
tamin’ny takariva ilay somambisamby iny ary tamin’ny alimbe.
10
Dia indro, nisy vehivavy nitsena azy sady manao fitafin’ny vehivavy janga ary feno fanangolena ao am-pony.
11
Sady vavàna izy no maniratsira, tsy mahajanona an-trano ny tongony;
12
vetivety izy eny an-dalambe, vetivety eny an-tsena, ary mamitsaka eny an-joron-dalana rehetra eny izy.
13
Dia nisavika ilay tanora izy ka nanoroka azy sady nisolantsolana taminy ary nilaza hoe:
14
Nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho ary androany no nanefako ny voadiko.
15
Koa nivoaka hitsena anao aho mba hitady fatratra anao ka nahita anao tokoa.
16
Ny fandrianako dia efa nasiako firakotra tsara, lamba rongony misoratsoratra avy any Ejipta;
17
efa norarahako zavamanitra ny fandrianako, dia miora sy hazomanitra ary havozomanitra.
18
Andeha, aoka isika hivoky fitia mandra-paharain’ny andro, aoka hanaram-po amin’ny fitiavana isika.
19
Tsy ato an-trano mantsy ny vadiko fa lasa nivahiny any lavitra;
20
ny kitapom-bola dia noentiny any an-tanany ary tsy hody izy raha tsy feno ny volana.
21
Tamin’ny teny maro no nandreseny lahatra azy; tamin’ny fandokafan’ny molony no nitaomany azy.
22
Dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala gadraina ho famaizana azy,
23
ambara-piboroaky ny zana-tsipìka amin’ny atiny, ary tahaka ny vorona mamantana amin’ny fandrika ka tsy fantany fa hamono ny ainy izany.
24
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, ary tandremo ny teny ataoko!
25
Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany.
26
Fa betsaka no naripany ka maty, ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa.
27
Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty*, eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31