bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 4
Proverbs 4
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
1
Henoinareo, anaka, ny anatry ny ray, ary tandremo izany mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2
Fa anatra tsara no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
3
Fa zanak’Ikaky aho, sady malala no tokana teo imason’Ineny.
4
Nampianatra ahy izy hoe: Aoka ny fonao hihazona ny teniko! Tandremo ny didiko dia ho velona ianao.
5
Mikatsaha fahendrena, mikatsaha fahiratan-tsaina; aza hadinoina na ialana ny teny efa nataoko.
6
Aza mahafoy azy fa hiaro anao izy; tiavo izy dia hitandrina anao.
7
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
8
Asandrato izy dia hanandratra anao; eny, hanome voninahitra anao izy raha fihininao;
9
hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10
Mihainoa anaka ka raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao.
11
Lalam-pahendrena no atoroko anao; eny, mitarika anao amin’ny lalana mahitsy aho.
12
Raha mandeha ianao dia tsy ho voasembantsembana ny dianao; raha mihazakazaka ianao dia tsy ho tafintohina.
13
Tano mafy ny fananarana ka aza avela hiala; hazòny izy fa ainao.
14
Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny mpanao ratsy.
15
Manalavira azy, aza mandalo eo akory; mivilia hiala aminy ka mizora amin’ny lalanao.
16
Fa tsy matory ireny raha tsy efa nahavita izay ratsy, ary tsy mahita tory izy raha tsy efa nahalavo olona.
17
Fa mihinana mofo avy amin’ny fanaovan-dratsy izy, ary misotro divay azo tamin’ny herisetra.
18
Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro.
19
Ny lalan’ny ratsy fanahy dia toy ny haizim-pito; tsy fantany akory izay mahatafintohina azy.
20
Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino izay ambarako.
21
Aza avela hiala eo imasonao izany fa raketo ao anatin’ny fonao;
22
fa aina ho an’izay mahazo azy izany ary fanasitranana ho an’ny tenany manontolo.
23
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
24
Esory aminao ny fiteny mandainga, ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25
Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26
Ataovy marina ny lalana alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny alehanao rehetra.
27
Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; aoka hihataka amin’ny ratsy ny tongotrao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31