bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 30
Proverbs 30
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
1
Ny teny mavesa-danja nataon’i Agora, zanak’i Jake, dia ny teny nataon-dRalehilahy tamin’Itiela, eny, tamin’Itiela sy Okala.
2
Izaho dia biby fa tsy olona ary tsy manan-tsain’olombelona.
3
Tsy nianatra fahendrena aho, na nahazo ny fahalalan’ny Iray Masina.
4
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nametraka ireo faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao!
5
Ny tenin’Andriamanitra dia voazaha toetra avokoa. Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy.
6
Aza manampy ny teniny fandrao hanariny ianao ka ho hita fa mpandainga.
7
Zavatra roa loha no angatahiko aminao ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
8
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; aza manome ahy fahantrana na harena; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy,
9
fandrao raha voky aho dia handa ka hiteny hoe: Iza moa NY TOMPO? Ary andrao raha tonga mahantra aho dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.
10
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ny tompony fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11
Misy taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny.
12
Misy taranaka milaza ny tenany ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany akory.
13
Misy taranaka izay mampianjonanjona ny fijeriny ary fatra-pampiridiridy ny hodimasony!
14
Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany, hamongorany ny ory tsy ho amin’ny tany sy mba hanafoanany ny mahantra tsy ho amin’ny olona.
15
Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo! Omeo! Misy zavatra telo tsy mety voky, eny, efatra aza no tsy milaza hoe: Aoka izay!
16
Ny fitoeran’ny maty* sy ny kibo momba, ny tany izay tsy vonton-drano, ary ny afo koa no tsy mba milaza hoe: Aoka izay!
17
Ny mianjonanjona amin-dray sady manazimba tsy mankatò reny dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery.
18
Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, eny, efatra aza no tsy fantatro:
19
Ny lalan’ny voromahery eny amin’ny habakabaka, ny dian’ny bibilava eny amin’ny vatolampy, ny dian’ny sambo eny amin’ny ranomasina, ary ny dian’ny lehilahy mankany amin’ny tovovavy.
20
Tahaka izany koa ny fanaon’ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy dia mamafa ny vavany ka miteny hoe: Tsy nanao izay ratsy aho!
21
Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, eny, zavatra efatra aza no tsy zakany:
22
Raha ny andevo no tonga mpanjaka, raha ny adala no voky hanina,
23
raha ny vehivavy tsy tiana no ampakarina, ary raha ny mpanompovavy no mandova ny tompovaviny.
24
Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ny etỳ ambonin’ny tany, nefa hendry sady mahay:
25
Ny vitsika izay firenena tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra;
26
ny hiràka izay firenena tsy manan-kery, nefa manao ny tranony eny amin’ny harambato;
27
ny valala izay tsy manana mpanjaka, nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28
ny antsiantsy izay azonao samborina amin’ny tanana, nefa tonga ao an-dapan’ny mpanjaka.
29
Misy zavatra telo izay tsara famindra, eny, efatra aza no tsara fandeha:
30
Ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona;
31
ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy ary ny mpanjaka miaraka amin’ny miaramilany.
32
Raha adala ianao ka nanandra-tena, nefa mba nieritreritra, dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao.
33
Ny fanotsankotsanana ny ronono no miteraka rononomandry; ny fanolanana ny orona no miteraka ra ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31