bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 9
Proverbs 9
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
1
Efa nanorina ny tranony ny Fahendrena, efa nipaika ny andriny fito izy.
2
Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy ary efa namelatra ny latabany koa.
3
Efa naniraka ny mpanompovaviny izy; miantso eny an-tampon’ny toerana avo eny an-tanàna izy ka miteny hoe:
4
Iza no kely saina? Aoka izy hivily hankaty! Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy:
5
Avia, hano ny mofoko ary sotroy ny divay voaharoko.
6
Ilaozy ny hadalana dia ho velona ianao ary mizora amin’ny lalan’ny fahalalana!
7
Izay mananatra ny mpaniratsira dia mahazo fahafaham-baraka ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
8
Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao ho halany; ny hendry no anaro dia ho tiany ianao.
9
Manomeza ho an’ny hendry dia mbola hihahendry ihany izy; ampianaro ny marina dia hitombo saina izy.
10
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahendrena ary ny fahalalana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
11
Fa amin’ny alalako no hampitomboana ny andronao sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12
Raha hendry ianao dia hendry ho an’ny tenanao ihany; raha maniratsira ianao dia ianao ihany no hizaka ny valin’izany.
13
Ny vehivavy adala dia vavàna; kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14
Mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy ary amin’ny seza eny amin’ny toerana avo eo an-tanàna
15
mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin’ny alehany ka miteny hoe:
16
Iza no kely saina? Aoka izy hivily hankaty! Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17
Mamy ny rano nangalarina, ary fy ny mofo hanina miafina!
18
Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, ary any amin’ny lalina any amin’ny fitoeran’ny maty* ny olona nasainy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31