bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 18
Proverbs 18
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
1
Izay mitokantokana dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany; misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
2
Ny adala dia tsy mba finaritra amin’ny fahalalana fa ta haneho izay ao am-pony.
3
Raha avy ny ratsy fanahy dia avy ny fanamavoana, ary miaraka amin’ny fahafaham-baraka ny henatra.
4
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona ary rano miboiboika ny loharanon’ny fahendrena.
5
Tsy mety ny manohana ny ratsy fanahy mba handresena ny marina amin’ny fitsarana.
6
Ny molotry ny adala dia miteraka ny fifandirana ary ny teny ataony dia mihantsy fifamelezana.
7
Ny tenin’ny adala no fandringanana azy ary ny molony ihany no fandriky ny tenany.
8
Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka hatrany anaty rehetra any.
9
Izay malaina amin’ny asany dia rahalahin’ny mpanimba zavatra.
10
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
11
Ny harenan’ny mpanankarena no tanànany mafy ary araka ny fiheviny dia toa manda avo erỳ izany.
12
Ny fireharehan’ny fon’ny olona dia mialoha ny faharavana, fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13
Izay mamaly teny mbola tsy re dia hadalana sy henatra ho an’ny tenany izany.
14
Ny fanahin’ny olona dia mampahery azy ao anatin’ny aretiny, fa raha ny fanahy no kivy, iza indray no hanohana azy?
15
Ny fon’ny manan-tsaina mikatsaka fahalalana ary ny sofin’ny hendry mitady izany.
16
Ny fanomezana ataon’ny olona dia manalalaka ny alehany hahatonga azy eo anatrehan’ny lehibe.
17
Izay mandahatra aloha no toa marina, fa nony avy kosa ny an-daniny dia mitaky porofo aminy.
18
Ny fanaovana antsapaka dia mampitsahatra ady ary mampisaraka ny samy mahery.
19
Ny manatona rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny mahazo vohitra mafy ary ny fifandirana dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.
20
Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky ny kibony, eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21
Ny mahafaty sy ny mahavelona dia samy hain’ny lela, koa izay tia azy dia hihinana ny vokany.
22
Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo hasambarana sady mahita sitraka amin’NY TOMPO.
23
Fitarainana no ataon’ny mahantra, fa ny mpanankarena dia mamaly amin’ny teny mahery.
24
Misy sakaiza izay mitondra amin’ny fahoriana, fa misy kosa sakaiza tia, izay mifikitra mafy noho ny rahalahy aza.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31