bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 8
Proverbs 8
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
1
Tsy miantso va ny Fahendrena? Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
2
Eo an-tampon’ny toerana avo amoron-dalana sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3
Eo anilan’ny vavahady* amin’ny fidirana ho ao an-tanàna sy eny amin’ny vavahady no iantsoany mafy hoe:
4
Ianareo no antsoiko, ry olona, ary ny feoko dia ho amin’ny zanak’olombelona!
5
Manàna fahamalinana, ry kely saina! Aoka hahira-tsaina ianareo, ry adala!
6
Henoy, fa hilaza zava-dehibe aho ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ny molotro.
7
Fa ny marina ihany no holazain’ny vavako, ary amin’ny molotro dia fahavetavetana ny ratsy;
8
marina ny teny rehetra ataoko, tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9
Miharihary avokoa ireny amin’ny mazava saina, ary mahitsy amin’ny efa nahazo fahalalana.
10
Ny anatro no raiso fa tsy ny volafotsy; aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; tsy azo ampitahaina aminy ny zavatra mampitsiriritra rehetra.
12
Izaho Fahendrena dia miara-monina amin’ny fahamalinana ary hitako ny fahaizana misaina mazava.
13
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana NY TOMPO; ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny lalana ratsy ary ny teny lainga dia samy halako avokoa.
14
Ahy ny tolo-tsaina sy ny tena fahendrena. Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery.
15
Amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka sy amoahan’ny mpanapaka ny didy aman-dalàna araka ny rariny;
16
amin’ny alalako no anapahan’ny mpitondra sy ny lehibe ary ny mpitsara rehetra amin’ny tany.
17
Tiako izay tia ahy ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18
Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19
Ny vokatra avy amiko dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny volamena tsy miharo aza, ary mihoatra noho ny volafotsy voafantina ny fitomboan’ny harenako.
20
Eo amin’izay alehan’ny fahamarinana no izorako, ary mihazo eo afovoan’ny lalan’ny fitsarana marina
21
mba hampandovako harena izay tia ahy sy hamenoako ny trano fitahirizany.
22
Namboatra ahy ho fiandohan’ny lalany NY TOMPO, ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha.
23
Notendreny hatramin’ny fahagola aho, eny, hatramin’ny voalohany indrindra, fony tsy mbola ary ny tany.
24
Fony tsy mbola nisy ny lalina no efa teraka aho, fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25
fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy ny havoana no efa teraka aho,
26
fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, na ny vovo-tany voalohany amin’izao rehetra izao.
27
Tamin’ny nampiorenany ny lanitra dia teo aho, tamin’ny namaritany ny habakabaka tambonin’ny lalina,
28
tamin’ny nampitoerany ny rahona eny ambony ka niboiboika fatratra ny loharanon’ny lalina,
29
tamin’ny nanisiany faritra ho an’ny ranomasina mba tsy hahazoan’ny rano mihoatra ny fetrany, rehefa nandidy ny amin’ny fanorenan’ny tany Izy,
30
dia mpita-marika teo anilany aho sady ravoravo isanandro isanandro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
31
eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.
32
Koa mihainoa ahy ianareo anaka; fa sambatra izay manaraka ny diako!
33
Mihainoa anatra ka hendre, fa aza manao tsirambina.
34
Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo amin’ny varavarako ary miambina eo amin’ny tolanam-baravarako!
35
Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana, sady mahazo sitraka amin’NY TOMPO.
36
Izay diso ahy kosa dia mampidi-doza amin’ny tenany; izay rehetra mankahala ahy dia tia fahafatesana.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31