bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Proverbs 20
Proverbs 20
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
1
Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka; koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.
2
Ny fandrahonana ataon’ny mpanjaka dia toy ny fieron’ny liona tanora; izay mampahatezitra azy dia miantso loza hihatra amin’ny tenany.
3
Voninahitry ny olona ny manalavitra ny fifandirana, fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4
Ny kamo dia tsy mety miasa tany amin’ny ririnina, saingy amin’ny fararano dia hangataka izy nefa tsy hahazo.
5
Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; izay manan-tsaina dia mahay manovo ao.
6
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy, fa ny olona mahatoky, iza moa no mahita azy?
7
Ny olona marina dia mandeha amin’ny fahitsiany; sambatra ny zanany mandimby azy.
8
Mipetraka eo amin’ny seza fitsarana ny mpanjaka ka ny masony dia mikororòka manavaka ny ratsy rehetra.
9
Iza no mahazo milaza hoe: Efa nahadio ny foko aho ka madio afaka tamin’ny otako?
10
Ny vato mizana tsy mitovy sy ny famarana tsy sahala dia samy fahavetavetana eo imason’NY TOMPO.
11
Na dia ny tanora aza dia mampiseho amin’ny fanaony fa madio sy mahitsy ny asany.
12
Ny sofina mandre sy ny maso mahita dia samy nataon’NY TOMPO avokoa.
13
Aza tia torimaso ianao, fandrao ho tonga mahantra; ahirato ny masonao dia ho voky hanina ianao.
14
Ratsy! Ratsy! Hoy ny mpividy; kanjo nony lasa izy dia miarahaba tena.
15
Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka, fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
16
Alao ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy ary ho solon’ny laniny tamin’ny fiantohana vahiny janga.
17
Mamin’ny olona ny hanina azo tamin’ny fitaka, kanjo avy eo dia fasika no mameno ny vavany.
18
Ny hevitra rehetra dia arafeto amin’ny fiaraha-misaina ary ny fahaiza-mandamina tsara no entonao miady.
19
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny tsiambaratelo, koa aza mifampiraharaha amin’izay mibedibedy foana.
20
Izay manozona ny rainy na ny reniny dia ho faty ao amin’ny haizim-pito ny jirony.
21
Ny lova norombahina teo am-boalohany dia tsy hotahìna amin’ny ho avy.
22
Aza miteny hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho, fa miandrasa NY TOMPO, fa Izy no hamonjy anao.
23
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny vatomizana tsy mitovy ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24
NY TOMPO no mitantana ny dian’ny olona; fa ny olombelona, hataony ahoana ny hahafantatra ny lalany?
25
Fandrika amin’ny olona ny malaky miteny hoe: Zavatra masina ity, ka nony vita ny voady vao mieritreritra.
26
Ny mpanjaka hendry dia mikororòka manaisotra ny ratsy fanahy sady mandefa ny kodiarana eo amboniny.
27
Jiron’NY TOMPO ny fanahin’ny olona hitsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28
Famindrampo sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka ary ampitoeriny amin’ny famindrampo ny sezafiandrianany.
29
Voninahitry ny zatovo ny tanjany ary ravaky ny zokiolona ny volo fotsy.
30
Ny ratra avy amin’ny kapoka dia mahafaka ny haratsiam-panahy ary ny kapoka dia tonga hatrany amin’ny aty fo.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31