bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 1
Zechariah 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
1
Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe:
2
Tezitra mafy tamin’ny razanareo i Iaveh.
3
Koa lazao amin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena amiko ianareo, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - dia hiverina aminareo Aho, - hoy i Iavehn’ny tafika.
4
Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, - teny marin’i Iaveh. -
5
Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?
6
Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»
7
Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:
8
Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.
9
Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.
10
Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany.
11
Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.
12
Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?
13
Ary i Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin’ilay Anjely niresaka tamiko.
14
Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho.
15
Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.
16
Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.
17
Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14