bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 11
Zechariah 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
1
Vohay ny vavahadinareo, ry Libàna, ary koa ho levon’ny afo ny sederanao!
2
Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera, voasimba ny hazo tsara mahagaga. Midradradradrà, ry oaka ao Basàna, fa ripaka ny ala mikirindro!
3
Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry, satria rava ny voninahiny; re mieronerona ny liona tanora, fa rava izay nireharehan’i Jordany.
4
Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitro: «Aoka ianao ho mpiandry an’ireo ondry atao famono,
5
izay vonoin’ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon’ny mpivarotra azy hoe: ‹Hisaorana anie i Iaveh fa mitombo harena aho!› Ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory.
6
Fa tsy hitsitsy ny mponina amin’ny tany intsony Aho, - teny marin’i Iaveh - indro Aho hanolotra ny lehilahy samy ho eo an-tanan’ny namany avy, sy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin’ny tanan’ireo Aho.»
7
Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.
8
Telo no mpiandry noesoriko tanatin’ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy.
9
Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»
10
Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin’ny firenena rehetra.
11
Dia voatapaka tamin’izay andro izay io ka dia fantatr’ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin’i Iaveh.
12
Ary hoy aho taminy: «Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana.» Dia nolanjain’izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.
13
Ary hoy i Iaveh tamiko: «Atsipazo ao amin’ny mpanefy tanimanga izany, dia izay vidy be nanombanana ahy!» Dia noraisiko ny vola telopolo sikla ka natsipiko tao an-tranon’i Iaveh ao amin’ny mpanefy tanimanga.
14
Raha efa izany, notapahiko koa ilay tehiko, i Kofehy, hanafoanako ny firahalahian’i Jodà sy i Israely.
15
Hoy i Iaveh tamiko: «Raiso amin’izao ny forongon’ny mpiandry vaovao.
16
Fa indro Aho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin’ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon’izay matavy, sy hamaky ny kitrony.
17
Loza ho an’ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian’ny sabatra ny sandriny sy ny masony ankavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony ankavanana ho faty!»
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14