bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 3
Zechariah 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 4 →
1
Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy.
2
Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?»
3
Ary nitafy maloto i Jesosy sy nitsangana teo anatrehan’ilay Anjely.
4
Ary niteny ilay Anjely ka nilaza tamin’ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: «Esory ny fitafiana maloto eny aminy.» Dia hoy izy taminy: «Jereo, efa noesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin’ny fety no natafiko anao.»
5
Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madio eo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.
6
Ka izao no fanambaràna nolazain’ilay Anjelin’i Iaveh, tamin’i Jesosy:
7
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.
8
Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.
9
Fa inty ny vato napetrako eo anoloan’i Jesosy; maso fito no amin’izay vato tokana izay; indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary hoesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity!
10
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14