bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 5
Zechariah 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
1
Natopiko indray ny masoko, ka nahita aho: Ary indro nisy horonan-taratasy nanidina.
2
Ary hoy izy tamiko: «Inona no hitanao?» Ka hoy aho: «Horonan-taratasy manidina, roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, no hitako.»
3
Dia hoy izy tamiko: «Io no ozona mivoaka ho eo ambonin’ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto.
4
Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»
5
Niseho indray ilay Anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: «Atopazo ny masonao, ka jereo io miseho io.» Dia hoy aho: «Inona io?»
6
Ary hoy izy: «Ny efah no miseho»; sady nampiany hoe: «Mifantoka amin’io avokoa ny fijerin’izy ireo, any amin’ny tany rehetra.»
7
Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan’ny efah.
8
Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efah izy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka.
9
Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin’ny elany; nanana elatra toy ny an’ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.
10
Ka hoy aho tamin’ilay vehivavy niresaka tamiko: «Hoentiny ho aiza ity efah?»
11
Dia hoy ny navaliny ahy: «Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin’ny tany Senaara, ka rehefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin’ny fitoerany.»
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14