bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 12
Zechariah 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
1
Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:
2
Indro hataoko tokonana fanozongozona i Jerosalema ho an’ny firenena manodidina rehetra; ary ho an’i Jodà koa izany, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.
3
Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: i Jerosalema hataoko vato haingaina ho an’ny firenena rehetra; ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa, ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany.
4
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra, ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy; ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko; fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
5
Ny filohan’i Jodà hanao anakampo hoe: Ny mponina ao Jerosalema dia hery ho ahy avy amin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’izy ireo.
6
Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.
7
Ny lain’i Jodà aloha no hovonjen’i Iaveh, mba tsy hisandratra ambonin’i Jodà, ny reharehan’ny taranak’i Davida, sy ny reharehan’ny mponina ao Jerosalema.
8
Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo, dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.
9
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: Hataoko izay handringanana ny firenena rehetra, tonga hamely an’i Jerosalema.
10
Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.
11
Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremôna, amin’ny lohasahan’i Magedao.
12
Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy; ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana, ny vadin’ireo manokana;
13
ny fianakavian’ny taranak’i Levì manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’i Semeì manokana, ny vadin’ireo manokana;
14
ny fianakaviana sisa rehetra, samy manokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ireo manokana.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14