bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 10
Zechariah 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
1
Mangataha amin’i Iaveh ny ranonorana amin’ny lohataona. Satria fa i Iaveh no manao ny helatra; ka homeny ranonorana be izy ireo, ary ahitra, eny an-tsahan’izy rehetra tsirairay avy.
2
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
3
Nirehitra tamin’ny mpiandry ny fahatezerako, ary hofaiziko ireo osy lahy! Fa i Iavehn’ny tafika mamangy ny ondriny, ny taranak’i Jodà, ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin’ny ady.
4
Avy aminy no hiavian’ny antoko-miaramila, avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana; avy aminy avokoa no hivoahan’ny filoha rehetra.
5
Izy ireo ho toy ny mpiady mahery, manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin’ny ady; hiady izy ireo, satria omban’i Iaveh, ka hahasafo-kenatra an’ireo mitaingin-tsoavaly.
6
Hohatanjahiko ny taranak’i Jodà, ary hovonjeko ny taranak’i Josefa; hanangana azy indray Aho, fa mangoraka azy ireo; ary ho toy ny tsy nariako akory izy, fa i Iaveh Andriamaniny Aho, ka hihaino azy ireo.
7
Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima, hifaly toy ny fifaliana amin’ny divay ny fony; hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo, ary hientan-kafaliana amin’i Iaveh ny fon’izy ireo!
8
Hisiaka eny aoriana azy eny Aho, ka hanangona azy fa efa nanavotra azy; dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy.
9
Rehefa nafafiko tany amin’ny firenena izy, ka mahatsiaro Ahy any an-tany lavitra, dia hiara-belona izy sy ny zanany, ka samy hiverina.
10
Hampodiko avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin’ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany.
11
Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin’ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan’ny ony. Haetry ny avonavon’i Asiria, ary halàna ny tehim-panjakan’i Ejipta.
12
Hampahereziko ao amin’i Iaveh izy ireo, ka handeha amin’ny Anarany. - teny marin’i Iaveh. -
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14