bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 4
Zechariah 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
1
Niverina ilay Anjely niresaka tamiko, ary nofohaziny, toy ny famoha olo-matory, aho,
2
sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.
3
Ary hazo ôliva roa no manotrona azy, ny iray eo ankavanan’ny tavy, ary ny iray eo ankaviany.»
4
Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona no hevitr’ireo zavatra ireo, tompoko?»
5
Namaly ilay Anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: «Tsy fantatrao va ny hevitr’ireo zavatra ireo?» Ary hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»
6
Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe: «Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.
7
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe, eo anoloan’i Zôrôbabela? Ho tany lemaka ihany ianao. Ary izy hanangana ny vato hatao tendrony, eo amin’ny fihobiana hoe: ‹Fahasoavana, fahasoavana anie ho ao aminy!› »
8
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
9
Ny tanan’i Zôrôbabela no nametraka ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao.
10
Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.
11
Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireto ôliva roa, eo ankavanan’ny fanaovan-jiro sy eo ankaviany?»
12
Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireo sampahon’ôliva roa eo amin’ny lantônoara volamena, ikararànam-bolamena, ireo?»
13
Niteny tamiko izy nanao hoe: «Tsy fantatrao va ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»
14
Ary hoy izy tamiko: «Ireo no zanaka roan’ny fanosorana, izay mitsangana eo akaikin’ny Tompon’ny tany rehetra.»
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14