bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 2
Zechariah 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
1
Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.
2
Dia hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona moa ireto?» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no tandroka nampihahaka an’i Jodà sy i Israely ary i Jerosalema.»
3
Ary naneho mpanefy efatra tamiko i Iaveh. Ka hoy aho: «Tonga haninona ireto?»
4
Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»
5
Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.
6
Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»
7
Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;
8
ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.
9
Ary Izaho, - teny marin’i Iaveh, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.› »
10
Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, - teny marin’i Iaveh, - fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo - teny marin’i Iaveh. -
11
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
12
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ho voninahiny no nanirahany ahy ho any amin’ny firenena namabo anareo; satria izay mikasika anareo mikasika ny anakandriamasony.
13
Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.
14
Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Siôna, fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao, - teny marin’i Iaveh. -
15
Amin’izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin’i Iaveh, ka ho vahoakako izy ireo; ary Izaho honina ao afovoanao, dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao.
16
I Iaveh hanana an’i Jodà ho anjarany eo amin’ny tany masina; ary mbola hifidy an’i Jerosalema Izy.
17
Aoka hangina eo anatrehan’i Iaveh ny nofo rehetra, fa hitsangana avy eo amin’ny fitoeran’ny masina Izy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14