bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zechariah 6
Zechariah 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
1
Natopiko indray ny masoko ka nahita aho: Dia indro kalesy efatra nivoaka avy tao anelanelan’ny tendrombohitra roa, ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
2
Ny kalesy voalohany nisy soavaly menapìny, ny kalesy faharoa nisy soavaly mainty;
3
ny kalesy fahatelo nisy soavaly fotsy, ary ny kalesy fahefatra nisy soavaly sadamena mavitrika.
4
Dia niteny tamin’ilay Anjely niresaka tamiko aho, ka nanao hoe: «Iza moa ireto, tompoko?»
5
Ary namaly ahy ny Anjely, ka nanao hoe: «Ireo no rivotra efatry ny lanitra tonga avy nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.
6
Ny kalesy nisy ireo soavaly mainty no nivoaka ho amin’ny tany avaratra; ireto fotsy no nivoaka nanaraka ireo, ary ireto sada no nivoaka ho amin’ny tany atsimo.»
7
Nony nivoaka ireo mavitrika, dia nangataka hiainga mba hitety ny tany; ka hoy ny Anjely tamin’ireo: «Mandehana mitety ny tany»; dia nitety ny tany ireo.
8
Ary niantso ahy izy, ka nanao tamiko hoe: «Jereo, fa ireo nivoaka ho amin’ny tany avaratra, dia nampionona ny fanahiko tamin’ny tany avaratra.»
9
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
10
«Handray avy eo an-tanan’ireo babo ianao, dia avy eny an-tanan’i Holdaì sy i Tobia ary i Idaia; - ka ny tenanao no handeha amin’izany andro izany ho any an-tranon’i Josiasa, izay nidiran’izy ireo, nony vao tonga avy any Babilôna izy;
11
- ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satroboninahitra, dia ataovy eo an-dohan’i Jesosy, mpisorona lehibe, zanak’i Josedeka.
12
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin’ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin’i Iaveh.
13
Izy no hanao ny tempolin’i Iaveh, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin’izy roaroa.
14
Ary ny satroboninahitra dia ho an’i Helema, i Tobia, i Idaia ary i Hena, zanak’i Sôfônia, ho fahatsiarovana ao an-tempolin’i Iaveh.
15
Ho tonga hanao ny tempolin’i Iaveh ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh ianareo.› »
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14