bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 1
Hosea 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
1
Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.
2
Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.»
3
Dia nandeha naka an’i Gômera zanakavavin’i Diblaîma i Hôsea; ary nitoe-jaza taminy ravehivavy ka niteraka zazalahy.
4
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak’i Jehò noho ny ra latsaka tao Jizrehèla; ary hofaranako ny fanjakan’ny taranak’i Israely.
5
Amin’izany andro izany dia homontsaniko eo amin’ny lemak’i Jizrehèla ny herin’i Israely ara-tafika.
6
Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany, satria tsy haneho fitiavana intsony amin’ny taranak’i Israely Aho; eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.
7
Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»
8
Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy.
9
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14