bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 14
Hosea 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
1
Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.
2
Ry Israelita ô, mba miverena amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3
Miverena amin’ny TOMPO ka milazà aminy hoe: «Avelao avokoa ny helokay; ary ho solon’ny vantotr’ombilahy fanolotray dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4
Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»
5
Izaho TOMPO dia hanasitrana an’ilay Israely amin’ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan’ny fahatezerako izy.
6
Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamàka tahaka ny hazon’i Libàno.
7
Hisandrahaka rantsana izy, ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva ary hamerovero toy ny alan’i Libàno.
8
Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.
9
Hataon’i Efraîma inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.
10
Iza no hendry hahafantatra izany tenin’i Hôsea izany, na lalin-tsaina hahalala ny heviny? Fa mahitsy ny sori-dalan’ny TOMPO; ka hizoran’ny olo-marina izany, saingy hahasolafaka ny mpikomy.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Hosea Commentaries
→
Devotional
Hosea Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→