bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 6
Hosea 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
1
Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
2
Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany.
3
Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»
4
Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!
5
Koa ny hafatr’ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan’ny andro.
6
Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»
7
Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana tao ianareo no namadika Ahy.
8
I Gilehada dia tanànan’ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin’ny falehany.
9
Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!
10
Zava-maharikoriko no hitako tao amin’ny fanjakan’i Israely. Ny fivarotan-tenan’i Efraîma no ao ka mahaloto an’i Israely.
11
Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14