bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 13
Hosea 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
1
Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.
2
Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: «Anolory sorona izy!» Olombelona no mitsaoka ombilahikely!
3
Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon’ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin’ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin’ny varavarankely.
4
Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5
Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina.
6
Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.
7
Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantèra mamitsaka amoron-dalana.
8
Toy ny famelin’ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.
9
Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.
10
Aiza àry izao ny mpanjakanao izay tokony hamonjy anao? Amin’ny tanànanao rehetra, aiza koa ireo mpitondra anao? Fa ianao ihany no nanao hoe: «Omeo mpanjaka sy filoha aho ».
11
Koa tamim-pahatezerana no nanomezako mpanjaka anao, ary tamim-pahavinirana no nanesorako ireny indray.
12
Voatana an-tsoratra ny helok’i Efraîma, tsara tahiry ny fahotany.
13
Tahaka ny an’ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.
14
Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.
15
Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Hosea Commentaries
→
Devotional
Hosea Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→