bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Hosea 12
Hosea 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
1
Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.
2
Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma; ka rivotra no ivokisany amin’izany. Manao fifanekena amin’i Asiria izy dia manenji-drivotra avy atsinanana. Tontolo andro no ampitomboiny ny lainga sy ny herisetra.
3
Manana ady amin’i Joda ny TOMPO. ka hanafay ny firenen’i Jakôba noho ny fitondrantenany ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.
4
Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny no efa nisongona ny rahalahiny; ary rehefa lehilahy lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra.
5
Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.
6
Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,
7
no niteny tamin’i Jakôba hoe: «Miverena amiko Andriamanitrao ianao! Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny; ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»
8
Mizana mandainga tahaka ny an’ny Kanahanita no hazoninao, ry Efraîma; ka tia manambaka ianao
9
sady miteny hoe: «Efa nangoron-karena aho ka nahazo fananana be. Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy amin’izay asa rehetra nisasarako.»
10
Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary hampitoetra anao an-day indray Aho, tahaka ny tamin’ny andro izay nihaonako taminao.
11
Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.
12
Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.
13
Tany Mezôpôtamia ambony no nandosiran’i Jakôba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady.
14
Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.
15
Nampalahelo mafy an’Andriamanitra i Efraîma ka dia hailiky ny Tompony hianjady aminy ny vokatry ny ra nalatsany, ary hatsingeriny hanody azy ny fanevatevana nataony.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Hosea Commentaries
→
Devotional
Hosea Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→